Politique

Fitondrana FAT Namerina ny fomba nolazaina fa tsy nety


  • Zoma 01 Jolay 2011

Na dia efa nivalona aza ny fankazalana ny fetim-pirenena dia mbola mitoetra sy miteraka adihevitra ny lahatenin’ny filohan’ny tetezamita sy ny fizotry ny lanonana manokana teny Iavoloha.

 Natomboka tamin’ny fotoam-pivavahana ho fangataham-pitahiana ny firenena ny fotoana, ary dia izay vao niroso tamin’ny kabary, ary mbola nindrana tantara tao amin’ny soratra masina (baiboly kristianina) ny filohan’ny FAT Andry Nirina Rajoelina ka nampitaha ny zava-misy eto Madagasikara ankehitriny tamin’ilay tantara nahazo ilay sambo kely nitondra an’i Jesoa Kristy sy ny mpianany ka sendra ny andro ratsy sy tafio-drivotra mahery teny afovoan-dranomasina. Natahotra sy toran-kovitra aok’izany ireo mpianatra, i Jesoa kosa moa resin-tory. Nampianatra indray ireto mpanara-dia azy i Jesoa Kristy fa tsy tokony hisy ny hampanahy na hatahorana fa rehefa manam-pinoana dia tafita sy tafavoaka amin’ny zava-tsarotra foana, ary dia nampangininy ny tafio-drivotra sy ny andro ratsy dia lasa tony indray ny ranomasina ka tsy rendrika ilay sambo kely… Izay raha fintinina io tantara mampiseho ny maha zava-dehibe ny finoana ary mampisongadina ny fahefan’Andrimanitra izay mahavita sy mahay ny zavatra rehetra io.

Nilaza Atoa Andry Rajoelina teny Iavoloha ny alahady antoandro lasa teo fa tsy maintsy tafavoaka i Madagasikara ary mila finoana sy fanantenana ny zavatra atao ary ankinina amin’Andriamanitra. Efa noresahana teto ihany ity resaka fivavahana sy politika eto Madagasikara ity kanefa hita izao fa mbola mamerina ny fomba nolazaina fa tsy nety nataon’ny teo aloha ihany ny mpitondra, mampiditra ny resaka fivavahana amin’ny raharaham-pirenena sy ny resaka politika. Raha hiverenana ilay tantara tery ambony dia maro no velom-panontaniana hoe : ny vahoaka Malagasy ve izany no mpianatra, ary i Andry Rajoelina no mieritreritra azy fa Jesoa ? Izany hoe ilay Mesia hanavotra antsika rehetra ? Raha vao miresaka fivavahana dia zava-dehibe ao ny finoana, ny fifankatiavana, ny fibebahana ary ny fifamelana. Nahagaga ihany ilay lahatenin’ny filohan’ny FAT tamin’ny 26 jona teo satria nitory fahagagana vokatry ny finoana izy any am-boalohany, kanefa tsy te hahalala ny fifamelana aty aoriana ka mandrangaranga fa tsy hahazo famotsoran-keloka izany mihitsy izay namono olona ? Dia tsaroana eto ihany koa ilay teny diso fantatry ny maro loatra ao amin’ny baiboly manao hoe : “... Aoka hitora-bato azy izay tsy nanota taminareo”.

Tsy nisy ny mpitondra sy mpanao politika nifandimby teto ka afaka milaza fa anjely na zanak’Andriamanitra ka tsy solafaka mihitsy fa nanao izay nahasoa ny vahoaka foana, hoy ny raim-pianakaviana iray ka izay no maha-zava-dehibe ny fampihavanana sy fifamelana. Misy dikany, hoy izy izao krizy tsy mety mivaha eto amin’ny firenena izao ary samy tompon’andraikitra amin’io ny rehetra. Nanampy ny fanazavany izy ka nanipika fa maro ireo fitsarana politika natao teto nentina nanapotehana ireo mpifanandrina politika amin’ny tena. Mila atsahatra izany rehetra izany fa raha mbola manohy izany ny manampahefana ankehitriny dia ho avy ihany koa indray andro any ny valifaty avy amin’ireo voasakana sy voaheloka, dia tsy hilamina mihitsy ity Madagasikara ity !

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT