Politique

Christine Razanamahasoa Tsy matoky ny fitsarana ao Toamasina ?


  • Zoma 01 Jolay 2011

Araka ny fanazavan’ny minisitry ny fitsarana Christine Razanamahasoa manoloana ireo mpikambana tao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ny alarobia 29 jona lasa teo dia hafindra ny fanadihadiana sy ny fitsarana ilay raharaha fanaovana horonantsary mihetsika mamoafady sy fanolanana zaza tsy ampy taona nataona teratany vahiny iray tany amin’ny nosy Sainte Marie.

 Nambarany ihany fa maro ny zavatra manohintohina ny fanadihadiana sy ny raharaham-pitsarana ao Taoamasina ka izay no mety hamindrana ny fikirakirana ny raharaha. Azo adika avy hatrany ity fanambaran-dRamatoa minisitra ity fa tsy matoky ny fitsarana ao Toamasina ny ao amin’ny ministeran’ny fitsarana ka hafindra eto Antananarivo ny asa rehetra manodidina ity rahahara ity. Tsy vao izao tokoa mantsy fa efa hatramin’ireny raharaha “bois de rose” ireny no maro ny olona nitaraina amin’ny fomba fiasan’ny fitsarana ao Toamasina. Efa nisy mihitsy moa ny fanasaziana sy famindran-toerana mpitsara natao, saingy mbola maro ihany ny resabe mandeha hatramin’izao. Momba ity raharaha fanolanana zaza tsy ampy taona ity dia tsara homarihana fa mbola karohina satria tsy hita popoka ilay vazaha tompon’antoka hatramin’izao, misy ihany koa ny fanadihadiana ataon’ny Bianco manodidina iny raharaha iny.

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT