Politique

Zakahely Boniface - Camille Vital Nifanao don-tandroka teny Tsimbazaza


  • Zoma 01 Jolay 2011

Raha nangina tsy dia nandrenesam-peo ny depioten’i Mananara Avaratra teo aloha, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ankehitriny, Zakahely Boniface, dia tonga dia ambovonana ny azy omaly, niandry ny fifanatrehan’ny governemanta sy ny Kongresy hamaliana ny fanontaniana apetraky ny mpikambana, mahakasika ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny.

 Toa niandry kendritohana ihany i Zakahely omaly, ary dia nokianiny ampahibemaso ny praiminisitra Camille Vital. Aminy dia tsy mahafeno feno ny fepetra amin’ny maha praiminisitry ny marimaritra iraisana ity farany. Miaramila ianao ary jeneraly, noho izany manana lehibe mpibaiko, hoy i Zakahely. Ankoatra izay dia nokianiny ny mbola nanomezana grady jeneraly an’i Camille Vital nefa efa nisotro ronono tamin’ny 2006. Ho lasa “jurisprudence” didy fakan-tahaka izany, ka hiteraka olana araka ny fanamarihana nentin’i Zakahely Boniface hatrany. Don-tandroka tsy nisy fiafarany, ary dia natsahatra fotsiny ny fandraisam-pitenenan’i Zakahely omaly, dila rahateo ny 5 minitra anjara fitenenany. Nilaza ny tsy namaly moa i Camille Vital, saingy nanao teny miendrika fandrahonana ankolaka ihany nilaza fa “ny mokon-doha samy manana, ary tsy vidim-bola io”. Nahasahy niteny koa ny lehilahy fa “les chiens aboient, la Caravane passe”. Toy ny tao Anosikely dia zary valy boraingina ny famaliana ny fanontanian’ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT