Politique

Mpanongam-panjakana sy mpamadika palitao “Tsy misy indrafo intsony”, hoy i Magro Behoririka


  • Zoma 01 Jolay 2011

Mbola nisongadina tamin’ny kabary fanehoan-kevitra teny amin’ny Magro Behoririka omaly ny resaka manodidina ny fanambarana an-gazety nataon’ny mompera Pedro Opeka sy ny fanatrehan’ny Dr Simao ny fetin’ny 26 jona teny Mahamasina izay nambaran’ny mpitari-tolona Marcel fa tsy nahafaly ny Vondrona Afrikanina velively.

Ny vahoaka dia fanjakana ka izay no tsy ahazoan’ ny FAT fankatoavana iraisam-pirenena, hoy ny dokotera Julien satria ireo filoha telolahy teo aloha irery no nomen’ny vahoaka fahefana ary maha to teny azy ireo. Fanontaniana avy hatrany moa no nanohizan-dRamy an’izany tamin’ny hoe : “azo antenaina ve fa hivaha ny krizy nefa tsy miverina ny Filoha Ravalomanana, tsy mivoaka ny gadra politika ary tsy mipetraka ilay tetezamita tena izy ?”. Izy ihany no namaly avy hatrany fa “Tsia !”. Nohizingizinin’ny mpitari-tolona iray koa fa ny tondrozotra eken-dRavalomanana ihany no eken’ny vahoaka tarihany ary hiarahana mametraka sy manomana daholo ny zavatra rehetra. Tsy misy intsony ny indrafo amin’ny mpanongam-panjakana sy ny mpamadika palitao, hoy i Dominique.

Aoka tsy atao teny am-bava fotsiny ny fihavanana fa atao filamatra mihitsy, hoy izy. Nisy hafatra roa moa nampitain’ny Depiote Ravelonanosy Mamitiana tao an-kianja ihany omaly ka ny hafatra avy any amin’ny Pr Zafy dia hoe : “aoka tsy ho teny fotsiny ilay Fihavanana fa hampiharina ary hamafisina”. Ny avy amin’ny Filoha Marc Ravalomanana kosa dia nilaza fa vonona hanao sonia izy raha toa ka mifanaraka tamin’ny tapaka tany Sandton ny fanitsiana ilay tondrozotra.

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT