• Zoma 02 Septambra 2011
Politique.Tondrozotra asiam-panitsiana Mbola adihevitra eo anivon’ny Troika

Mihevitra ny handefa ny irany aty Madagasikara hijery ifotony izay hamahana ny krizy ny filohan’ny Troika, dia ny filoha afrikanina tatsimo, Jacob Zuma any amin’ny tapatapak’ity volana ity na any amin’ny fiandohan’ny volana oktobra any ho any, raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 02 Septambra 2011
Politique.Andry Rajoelina Mihena ny fitokisan’ny olona azy

Miteraka adihevitra etsy sy eroa ny fanambaran’ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina farany teo ny amin’ny hanasoniavana ato anatin’ny fotoana fohy ilay sori-dalana fa tsy hiandry izay fanapahan-kevitry ny SADC.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 02 Septambra 2011
Politique.Vary Ho ratsy ny vokatra sady ho mafy ny maitso ahitra

Ambohipihaonan’ny mpamboly vary avy amin’ny Faritra maro eto amin’ny Nosy etsy amin’ny Bucas Antanimena nanomboka omaly ka hatramin’ny rahampitso mandritra ny hetsika fihaonamben’ny mpamboly vary na koa “festival des riziculteurs” andiany faharoa.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 01 Septambra 2011
Politique.Andry Rajoelina Kabary feno fisalasalana

Mafy fiantraika tamin’i Andry Rajoelina sy ny Fahefana Avon’ny Tetezamita tarihiny ny fahanginan’ny SADC ka tsy nanomezan’ity farany setriny akory ilay «ultimatum» nataony mba hamaritan’ny SADC, hatramin’ny faran’ny volana aogositra, izay tapitra omaly, ny fotoana hanaovan-tsonia ilay tondrozotra nasiam-panitsiana, hany ka kabary feno fisalasalana no nataon’i Andry Rajoelina omaly. Izy rahateo moa voafatotry ny teny nataony tamin’ny fampanantenana fa hisy ny fanapahan-kevitra horaisin’ny fitondrana tarihiny raha tsy mamaly ny SADC.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 01 Septambra 2011
Politique.Fanelanelanana amin’ny krizy Nahazo tsodrano sy fahefana ny CNOSC

Ny tsy fahombiazan’ny mpanao politika amin’ny famahana ny krizy, ny tetezamita tsy iraisana, ny miaramila miandany amin’ny politika, ny filazam-baovao tsy malalaka, ny tsy fandriamapahalemana, ny fitsarana lasa fitaovana politika : santionany amin’ireo zavatra tsapan’ny firaisamonim-pirenena manerana ny Nosy fa sakana amin’ny famahana ny krizy eto amintsika

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 01 Septambra 2011
Politique.Ndremanjary Jean André Tsy minisitra HPM intsony

Feno ny kapoaka ! Naaton’ny HPM tsy ho mpikambana mandritra ny fotoana tsy voafetra ny minisitra Ndremanjary Jean André noho ny fandikana ny lalàna sy fepetra mifehy ity vondrona politika ity izay efa miverimberina matetika.

Hamaky ny tohiny
FTT