Politique

Andry Rajoelina Mihena ny fitokisan’ny olona azy


  • Zoma 02 Septambra 2011

Miteraka adihevitra etsy sy eroa ny fanambaran’ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina farany teo ny amin’ny hanasoniavana ato anatin’ny fotoana fohy ilay sori-dalana fa tsy hiandry izay fanapahan-kevitry ny SADC.

 Ao ireo milaza fa sao dia efa tsy mahazaka mitondra firenena intsony ny filohan’ny FAT, satria zavatra tsy eo am-pelatanana ve dia soniavina amin’ny fomba ahoana ? Mbola any amin’ny vondron’ny mpanelanelana mantsy ilay sori-dalana, sa hanoratra vaovao mitovitovy amin’ilay izy ary hahazoany tombontsoa ny FAT. Eo koa ireo mahita fa efa tara loatra ny fanapahan-kevitra satria raha hanasonia tsy miandry ny SADC ihany dia tsy tokony ho niandry enim-bolana fa vao vita ny rangopohy tamin’ny 09 martsa 2011 dia nirosoana ny fanaovan-tsonia. Misy koa ny olona no mieritreritra fa efa tena tsy mahatafavoaka ny baolina intsony ny FAT ary tsy tokony hanao fanambarana tsy dia misy lanjany tahaka ireny Atoa Andry Rajoelina.

Raha izaho no teo amin’ny toerana dia aleoko tsy niteny, hoy ny raim-pianakaviana iray. Ny olana mantsy izao dia milaza fa hanao sonia ny FAT kanefa ho avy eto ny iraka manokana avy amin’ny Troika eo anivon’ny SADC afaka herinandro. Dia ahoana indray no mety ho fihetsiky ny fitondrana tetezamita ? Avela hiditra eto ve sa hamoahana NOTAM ireo olona ireo, ary raha tonga eto ry zareo dia hiresaka ve ny FAT sa tsy te hahalala fa dia izay hahavitan’ny sonia ihany ?

Ary raha milaza ny SADC fa atao ilay sonia fa mba miandry kely aloha, dia hanaiky ve ny FAT ? Ary ny tena mahalasa fisainana ny maro dia ny hoe : raha milaza ny sehatra iraisam-pirenena fa tsy maintsy tonga eto manasonia ilay sori-dalana Atoa isany Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana dia inona indray no hambaran’i Andry Rajoelina ? Hidongy tsy hanao sonia ve sa hanetsika tafika sa hamorona dia maika any ivelany ? “Tsy te ho eo amin’ny toeran’i Andry Rajoelina mihitsy aho”, hoy ny mpanara-baovao iray satria tena tafiditra anaty kizo izy ka mandroso maty raibe, mihemotra maty renibe, tsy adihevitra sy safidy hafa fa tsy maintsy goavana ny fahavoazan’ny FAT noho ny fahadisoan’ny paikady politikany hatrany am-boalohany, hoy izy namarana ny fanehoan-keviny. Raha natokisana sy nantenain’ny olona azo atao hoe misimisy ihany Atoa Andry Rajoelina tamin’izy vao voafidy Ben’ny tanàna tamin’ny 2007 noho izy mpandraharaha tanora, manana fandaharanasa tsara petrapetraka sy tsy mbola maloto noho ny politika politisianina, dia efa maro be ireo tsy matoky sy kivy tamin’ny zavatra nataony tato anatin’ny roa taona. Amin’ny ankamaroan’ny olona mantsy dia tsy nitana ny teny nomeny ny filohan’ny FAT ary efa mitovy lenta amin’ireo mpanao politika be resaka fa tsy mahavita na inona na inona.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT