Politique

Tondrozotra asiam-panitsiana Mbola adihevitra eo anivon’ny Troika


  • Zoma 02 Septambra 2011

Mihevitra ny handefa ny irany aty Madagasikara hijery ifotony izay hamahana ny krizy ny filohan’ny Troika, dia ny filoha afrikanina tatsimo, Jacob Zuma any amin’ny tapatapak’ity volana ity na any amin’ny fiandohan’ny volana oktobra any ho any, raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany.

 Araka ny vaovao navoakan’ny Lettre de l’Océan Indien dia tsy manaiky ny hanao sonia ilay tondrozotra natolotr’i Leonardo Simao ary nasian’ny Sekretera mpanatanteraky ny SADC, Dr Tomaz Salomao fanitsiana ny mpitarika ny Troika. Araka ny fantatra moa dia ny Troika no mitondra ny baolina, hamahana ny krizy eto amintsika, araka izay tapaka tamin’ny fihaonana tany Luanda renivohitr’i Angola. Tokony hihatra moa io antontan-kevitra io rehefa vita ny fanitsiana, araka izay tolo-kevitry ny fihaonan’i Sandton ka neken’ny vaomieran’ny filaminana sy ny fandriampahalemana na ny CPS eo anivon’ny Vondrona Afrikanina. Raha ny vaovao dia tsy dia mahazo tombondahiny loatra ny FAT amin’ireo fanitsiana heverina fa tokony hatao ka dia izao nandroso ny fotoana hanaovana sonia ilay tondrozotran’i Simao izao, araka ny fanitsiana nataon’ny tonia mpanatanteraky ny SADC kanefa tsy mbola nahazo ny fankatoavan’ity farany.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT