Mafy fiantraika tamin’i Andry Rajoelina sy ny Fahefana Avon’ny Tetezamita tarihiny ny fahanginan’ny SADC ka tsy nanomezan’ity farany setriny akory ilay «ultimatum» nataony mba hamaritan’ny SADC, hatramin’ny faran’ny volana aogositra, izay tapitra omaly, ny fotoana hanaovan-tsonia ilay tondrozotra nasiam-panitsiana, hany ka kabary feno fisalasalana no nataon’i Andry Rajoelina omaly. Izy rahateo moa voafatotry ny teny nataony tamin’ny fampanantenana fa hisy ny fanapahan-kevitra horaisin’ny fitondrana tarihiny raha tsy mamaly ny SADC.
Efa nampoizina ihany ny ventin-kabariny, nilaza fa “mba hisian’ny filaminana sy ny fitoniana, indrindra fa noho ny tombontsoa ambonin’ny Firenena, (…) dia hirosoantsika ny fanaovan-tsonia ny tondrozotra nasiam-panitsiana amin’ny maha samy Malagasy”. Mitranga izany rehetra izany, iray andro taorian’ny famoriana ireo vondrona politika nataon’ny Raiamandreny Mijoro sy ny Finoana tao amin’ny CCI Ivato, ka namoahan’izy ireo fehin-kevitra ny tokony hamitana haingana ny fanaovan-tsonia ny sori-dalana nasiam-panitsiana. “Ato anatin’ny fotoana fohy”, hoy i Andry Rajoelina tao Ambohitsorohitra izay niantso ireo Vondrona Politika rehetra tsy ankanavaka no hanatanterahana izany na tsy nilaza mazava ny andro sy ny toerana mety hanatanterahana ilay sonia aza izy.
Ny hany nambarany dia “io sonia io no mamarana ny dinika ara-politika eto amin’ny Firenena, ary hahafahana mifantoka amin’ny fifidianana izay hatao”. Fifidianana izay tsy nofaritany mazava koa anefa hoe inona no hatao, na nihazakazahana nalefa teny anivon’ny Parlemanta, niantsoana fivoriana tsy ara-potoana in-telo miantoana aza ny lalàna mikasika ny fifidianana kaominaly sy rejionaly, fa naleon’i Andry Rajoelina nametraka ny andraikitra any amin’ireo izay hanao sonia. “Ireo manao sonia no hanoritra avy hatrany sy hifantoka amin’ny fifidianana izay tokony hatao”, hoy izy. Ny fanontaniana eto dia ny hoe iza no hanao sonia ? Ny vondrona politika 6 na V6 nanao sonia ilay Dina repoblikanina dia nanambara mazava fa ny sori-dalana nasiam-panitsiana aroson’ny SADC araka izay tapaka tany Sandton no hosoniavin’izy ireo, ny an’i Andry Rajoelina anefa dia miainga amin’ilay taratasin’i Tomaz Salomao ity heveriny hirosoana ity.
Na izany aza anefa dia zava-dehibe ny faneken’i Andry Rajoelina ny fenelanelanana sy ny fifampidinihana mba hamahana ny olana ara-politika eto. Zava-dehibe ihany koa ny filazany tao anatin’ny kabariny omaly fa tsy nisasatra niandry ny fotoana hananterahana amin’ny fomba ofisialy izany sonia izany. “Nampiandrasina isika ary mbola miandry ankehitriny”, hoy izy. Midika io fa lahasa ny azy ny mikabary. Na izy aza resy lahatra, raha tarafina amin’ny fiteniny izay malefaka tsy nitratrevatreva toy ny taloha, fa tsy ho tafavoaka izy sy ny fitondrana tarihiny raha mbola hisisika amin’ity taritokana lava efa ho telo taona ity. Sady tsy hahazo fankatoavana iraisam-pirenena mantsy no hampidi-kizo ny firenena ary vao mainka hampahantra fadiranovana ny Malagasy ny fanaovanaamboletra an’io. Ampirisihina, araka izany, i Andry Rajoelina hahay haka fanapahan-kevitra marina raha reny avokoa ary fantany tokoa, araka izay nambarany ihany, ny hasarotan’ny fiainana andavanandro, na ho an’ny mpandraharaha na ho an’ny Vahoaka tsy mandady harona.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.