Politique

Fanelanelanana amin’ny krizy Nahazo tsodrano sy fahefana ny CNOSC


  • Alakamisy 01 Septambra 2011

Ny tsy fahombiazan’ny mpanao politika amin’ny famahana ny krizy, ny tetezamita tsy iraisana, ny miaramila miandany amin’ny politika, ny filazam-baovao tsy malalaka, ny tsy fandriamapahalemana, ny fitsarana lasa fitaovana politika : santionany amin’ireo zavatra tsapan’ny firaisamonim-pirenena manerana ny Nosy fa sakana amin’ny famahana ny krizy eto amintsika

 Ny volana jolay 2011 lasa teo tokoa manko dia nikarakara fihaonambe ho an’ireo firaisamonim-pirenena manerana ireo faritany enina ny Cnosc. Izany fihaonana izany dia nahazoana namaritra sy namantatra ny fahitan’ireo any amin’ny Faritra ny zava-misy, ny sakana lehibe amin’ny krizy sy ny hevitr’izy ireo hamahana izao krizy izao. Isan’ny nivoitra tamin’izany fihaonana izany àry ny hoe : tsy maintsy ny marimaritra iraisana ihany no hivoahantsika amin’izao krizy izao. Hapetraka ny tetezamita iarahana sy tsy miandany, eo koa ny governemantan’ny fampiraisam-pirenena. Governemanta izay hametraka ho laharam-pahamehana ny politikan’ny fitsitsiana, eo koa ny fanavaozana ny rafitra sy ny lalàna mifehy ny vaomiera manokana misahana ny fifidianana na ny CENI, ny tokony hisiana fanadihadiana manokana sy mahaleotena momba ireo trafika isan-karazany toy ny trafikana taova, ireo hazo sarobidy. Heverin’ireo fiarahamonim-pirenena koa fa tsy tokony hanao politika ny miaramila am-perinasa. Ambaran’izy ireo fa tokony hohamafisina ny fiarahamonim-pirenena izay kitro ifaharan’ny firenena. Nanome tsodrano sy fahefana ny Cnosc ihany koa ireo any amin’ny faritany amin’ny fanohizana ny asa fanelanelanana hikaroham-bahaolana hivoahana amin’ny krizy. Fantatra fa dia handray anjara amin’ny fihaonambem-pirenena faharoa hataon’ny Cnosc ato ho ato ireo solontenan’ny Cnosc avy any amin’ny faritany. Niova endrika moa ity vondron’ny fiarahamonim-pirenena ity satria lasa manana mpitarika isaky ny faritany.

 

Nangonin’i Soa

 

sary

 

ENCADRE

 

 

Antananarivo

-          Atoa Mahamoudou Ndriandahy

-          Atoa Ruphin Georges

-          Atoa Cyprien Raheriharimahefa

-          Dr Marcelin Solo

 

Mahajanga

-          Atoa Johnson Rasolofonirian

-          Atoa Armand Raherivololona

 

Antsiranana

-          Atoa Venance Imbe

 

Fianarantsoa

-          Atoa Paul Gabriel Razafimahatratra

-          Atoa Josvah Paul Razafimandimby

 

Toliara

-          Dr Alexis Rabemananjara

-          Rtoa Yvette Bacchi

 

Toamasina

-          Atoa Lucien Andrianary

-          Rtoa Yollande Via

 

Mpitondra teny ofisialy CNOSC :

-          Rtoa Lalao Randriamampionona

-          Atoa Velompanahy Aristide

-          Atoa André Rasolo

-          Atoa Serge Zafimahova 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT