Politique

Ndremanjary Jean André Tsy minisitra HPM intsony


  • Alakamisy 01 Septambra 2011

Feno ny kapoaka ! Naaton’ny HPM tsy ho mpikambana mandritra ny fotoana tsy voafetra ny minisitra Ndremanjary Jean André noho ny fandikana ny lalŕna sy fepetra mifehy ity vondrona politika ity izay efa miverimberina matetika.

 Nandritra ny fivoriambe notontosaina omaly teny amin’ny foibeny teny Mahamasina no nandraisana ilay fanapahan-kevitra. Nivoitra nandritra ny fivoriana fa efa matetika ity minisitry ny fanatanjahantena amperin’asa ity no manao fihetsika mivaona amin’ny andraikiny na koa misalovana andraikitra mihitsy aza ka naetry ho lasa mpikambana tsotra fa tsy anisan’ireo mpikambana ao amin’ny birao intsony.

Namerina izany fihoaram-pefy izany indray anefa i Ndremanjary Jean André tamin’ity herinandro ity tamin’ny alalan’ny fanatrehany ny atrikasa fikaroham-bahaolana notarihan’ny Raimandreny Mijoro teny Ivato izay mifanipaka tanteraka tamin’ny fanapahan-kevitry ny HPM. “Notapahana tamin’ny fivoriambe notontosaina mialoha iny atrikasa teny Ivato iny izay natrehany fa mivoaka ny trano ny HPM rehefa vita amin’ny fomba ofisialy ny lanonam-panokafana ho fanajana ireo namoy ny ainy tamin’ny voina tany Soanierana Ivongo. Izahay rahateo koa nanamafy fa mila miray hina aloha ireo raimandreny mpampihavana sy mpanelanelana vao mandray anjara amin’ny ezaka ataon’izy ireo izahay miaraka amin’ny vondron-kery politika enina na V6. Niaraha-nahita anefa fa mbola niatrika ny adihevitra tao amin’ny CCI ihany i Ndremanjary. Fihetsika izay tsy azo ekena intsony“, hoy Ralison Roger, mpandrindra nasionalin’ity vondrona HPM ity no sady tomponandraikitry ny serasera koa.

Nohamafisin’ny mpivory tamin’ny alalan’ny tsangan-tanana koa ankoatra izay fa tsy minisitra HPM intsony i Ndremanjary Jean André. Tsy mbola tonga amin’ny fanesorana azy tsy ho mpikambana HPM na koa fangatahana ny fanoloana ny toerany amin’ny maha minisitry ny fanatanjahantena ny resaka hatreto saingy mampitandrina ny birao fa raha mitohy hatrany ny fandikan-dalàna ataony dia azo heverina ny hilatsahan’izany.

 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT