Politique

Vary Ho ratsy ny vokatra sady ho mafy ny maitso ahitra


  • Zoma 02 Septambra 2011

Ambohipihaonan’ny mpamboly vary avy amin’ny Faritra maro eto amin’ny Nosy etsy amin’ny Bucas Antanimena nanomboka omaly ka hatramin’ny rahampitso mandritra ny hetsika fihaonamben’ny mpamboly vary na koa “festival des riziculteurs” andiany faharoa.

 «Vary aina sady kolontsaina» no foto-kevitry ny fihaonambe izay iresahana ny vary sy ny fianakaviana manoloana ny fitantanana ny vokatra, ny vidim-bary eny amin’ny tantsaha sy ny mpanjifa, ny teknikam-pambolena, ny olana sedrain’ny tantsaha madinika. Fiarovana sy fanampiana ny tantsaha no tanjona araka ny nambaran’i Andriamamonjy Lanto, mpandrindra eo enivon’ny Bucas. “Hampianarina azy ireo fa mila fitantanana ny vary sy ny voka-bary, izany hoe arindra ny fivarotana ny vokatra sy izay atao tahiry iandrasana ny maitso ahitra fa tsy hanaraka be fahatany ny filan’ny mpanangom-bokatra”.

Raha ny fanazavan’i Andriamamonjy Lanto mantsy dia namidin’ny tantsaha tamin’ny fiandohan’ny taona avokoa ny ankamaroan’ny vokany rehefa niakatra be ny vidin’ny fotsimbary, hany ka zara raha misy sisa ny itsinjovana ny andro sarotra manomboka amin’ny volana janoary. Lany am-pitoerana koa ny ambim-bava fotsimbary roa hetsy taonina tamin’ny taom-pambolena farany noho io tsy fifehezan’ny tantsaha nampiasa ny tahiriny. Vokany dia mila manafatra fotsimbary iray hetsy taonina isika hanetsemana ny banga mandritra ny maitso ahitra araka ny vinavina nataon’ireo teknisianina.

Etsy andaniny dia tsy azo antenaina ny vokatra amin’ity taona ity. Mety ho latsaky ny efatra hetsy sy telo tapitrisa ny vary akotry amin’ity 2011 noho fahataran’ny orana saika manerana ny Nosy. Ny 1/3-n’ny tanimbary any Alaotra dia tsy voaketsa noho ny tsy fahampian’ny orana raha izao kosa vao manomboka manetsa ireo tantsaha eny amin’ny lemak’i Laniera sy Betsimitatatra. Ho an’ireo teknisianina ao amin’ny Bucas dia io resaka rano io sy ny tsy fananan’ny tantsaha tany hambolena no tena sakana tsy ahafahana mampitombo ny voka-bary mialoha ny resaka fampiasana zezika sy masomboly manara-penitra. Tsy misy afa-tsy 87 ara isaky ny mpamboly ihany ny tanimbary eto amintsika kanefa hatrany amin’ny roa tapitrisa fianakaviana no mivelona mivantana amin’ny voly vary. Tsy vitan’izay fa misy sahandriaka madinika mirefy telo hetsy hektara tena tsy misy fanampiana avy amin’ny fanjakana na koa tetikasa hanondrahana azy ara-dalàna.

 

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT