• Alarobia 14 Desambra 2011
Politique.Lehimitova Sylvestre (VFM) “Avereno ho Ben’ny tanàna i Andry Rajoelina !”

Manjaka eto amin’ny Firenena izao ny gaboraraka, ny tsy tan-dalàna, ny teniko fe-lehibe, ny fanilikilihana ara-politika, ny kitranoantrano, hoy ny antoko Vato Fehizoron’i Madagasikara (VFM) tamin’ny alalan’ny sekretera jeneraliny, Lehimitova Sylvestre.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 14 Desambra 2011
Politique.Marc Ravalomanana Nifampizara hafaliana tamin’ny vahoaka tany Alaotra

“Faly aho, tena faly ary tsy haiko ny hilazana ny fifaliana ato anatiko mandre fa anisan’ny miara-paly amiko ianareo any Alaotra amin’izao andro lehibe amin’ny fiainako izao dia ny fitsingerenan’ny taona nahaterahako. Faly aho fa tsy nanadino ahy ianareo aty Alaotra. Ataoko ho anisan’ny laharampahamehana ny fihaonana aminareo raha vao migadona any aho tsy ho ela”.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 13 Desambra 2011
Politique.Laurent Ramaroson - AVI Tokony ho notendrena ny filohan’ny CT sy CST

Tsy dia mahagaga firy ny fisian’ny savorovoro eny amin’ny CT sy ny CST isaky ny vita ny fifidianana satria efa lojikan-javatra ihany izany, hoy Atoa Laurent Ramaroson mpikambana CT ary mpikambana ao amin’ny birao politikan’ny antoko AVI.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 13 Desambra 2011
Politique.Gadra politika Mitaky ny hampiharana ny andininy faha-16 amin’ny tondrozotra

Nisintona ny fangatahana nataony hahazoana fahafahana vonjimaika ireo gadra politika 28 lahy ao Tsiafahy, raha efa tsy nety nanao izany, araka ny toromariky ny minisitry ny fitsarana tonga tany amin’ny fampanoavana ny tao Antanimora.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 13 Desambra 2011
Politique.Fetison Rakoto Andrianirina Manahy ny hisian’ny korontana indray

Fampiharana ny tondrozotra, ny amin’ny lalàmpanorenana, ny firesahana ny Repoblika faha-4, ny toeran’i Madagasikara eo anatrehan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Mitondra ny fahitany ny fipetraky ny toe-draharaham-pirenena i Fetison Rakoto Andrianirina.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 13 Desambra 2011
Politique.Antsirabe Nidina an-dalambe ny Komity mitaky ny fampiharana ny tondrozotra

Mitohy ary mivoatra ny hetsik’ireo “Komity mitaky ny fampiharana ny andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra” ao Vakinankaratra amin’izao fotoana.

Hamaky ny tohiny
FTT