Politique

Lehimitova Sylvestre (VFM) “Avereno ho Ben’ny tanŕna i Andry Rajoelina !”


  • Alarobia 14 Desambra 2011

Manjaka eto amin’ny Firenena izao ny gaboraraka, ny tsy tan-dalŕna, ny teniko fe-lehibe, ny fanilikilihana ara-politika, ny kitranoantrano, hoy ny antoko Vato Fehizoron’i Madagasikara (VFM) tamin’ny alalan’ny sekretera jeneraliny, Lehimitova Sylvestre.

 Tsy araka ny fanovana nimatimatesana intsony izao ny zava-misy ary mivaona amin’ny tsy tokony ho izy ny raharaham-pirenena, hoy izy nanohy ny fanazavana. Notsiahiviny fa tsy misy tolona na fanovana mahomby izany eto Madagasikara raha tsy Antananarivo no mihetsika sy mankato ny hetsika izay atao. Telo taona anefa izay no lasa, tsy misy zava-banona na mandroso fa ny gaboraraka no manjaka, tsy mahazo an’izany “reconnaissance” izay imatimatesany izany ny fitondrana tarihany, noho ny kajikajy sy tsy fahaizan-mitantana. Mbola mitohy ny fanodinkodinana andramena na “bois de rose” na dia efa voarara aza, hoy i Lehimitova Sylvestre. Tsy voafehy ny fandriampahalemana na an-tanàn-dehibe na ambanivolo. Porofo ny zava-nitranga tany Toliara, ka nahafatesana mpitsara iray.

Teo anatrehan’ny tomponandraikitra mahefa ary samy mpampihatra sy mahafantatra ny lalàna daholo no nahavanon-doza. Manjaka ny kitranoantrano ao amin’ireo andrim-panjakana. Ny lazain’ny vava hafa ary ny ataon’ny tanana hafa raha mihaino ny kabarin’Atoa Andry Rajoelina, na eto an-toerana izany na any ivelany.Toy ny fanaovana fety eny amin’ny lapa, kanefa ny Andriana sy ny taranany aza efa nilaza fa tokony hisaona ny malagasy manoloana ny fahaverezan’ny satroka mpanjaka sy ny Fetin’ny 4è Repoblika atao mipoapoaka nefa mbola ao anatin’ny tetezamita, ary ny tondrozotra no iasana sy ampiharina.

Dia mbola azo ametrahana fitokisana ve ny fitondrana ? Manoloana izany dia nilaza ny VFM fa aleo averina ho Ben’ny tanànan’Antananarivo Atoa Andry Rajoelina satria teo no nahalany azy ara-demokratika fa tsy ny hitondra firenena. Voaporofo ankehitriny, hoy ny VFM fa tsy hainy ary tsy voafehiny ny fitondrana. Omeo an’i Omer Beriziky ny fahefana manontolo fa izy no marimaritra niraisan’ireo mpanao politika sady atokisan’ireo avy any ivelany, hoy ny Sekretera jeneralin’ny VFM Lehimitova Sylvestre.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT