Politique

Marc Ravalomanana Nifampizara hafaliana tamin地y vahoaka tany Alaotra


  • Alarobia 14 Desambra 2011

擢aly aho, tena faly ary tsy haiko ny hilazana ny fifaliana ato anatiko mandre fa anisan地y miara-paly amiko ianareo any Alaotra amin段zao andro lehibe amin地y fiainako izao dia ny fitsingerenan地y taona nahaterahako. Faly aho fa tsy nanadino ahy ianareo aty Alaotra. Ataoko ho anisan地y laharampahamehana ny fihaonana aminareo raha vao migadona any aho tsy ho ela�.

 Izay no teny voalohany nambaran’ny filoha Marc Ravalomanana raha vao niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby nandritra ny hetsika nokarakarain’ny Vondrona Olon-tsotra tany Ambatondrazaka izy ny folakandron’ny alatsinainy 12 desambra teo. Miandrandra sy maniry aho, hoy izy ny hiverenan’ny fiainan’ny Malagasy amin’ny laoniny amin’izay. Mivavaka sy maniry koa izy ny hananan’ny Malagasy rehetra hetaheta hiaraka hampandroso indray ny firenena sy hiverenan’ny firenena amin’ny ara-dalàna. Nisy ny fanomezana natolotry ny vahoaka azy tamin’io fotoana io izay nambarany fa nampihetsipo tokoa. Fankaherezana ny Malagasy rehetra tsy ho kivy amin’ny tolona izay atao no namaranany ny teniny. Nahatonga solontena betsaka tamin’ity hetsika nokarakarain’ny Vondrona Olon-tsotra tao Ambatondrazaka ity ny vahoaka tany amin’ny Faritra Ampitandrefana Alaotra. Hetsika nihodidina ny Akany Ambatondrazaka Fitiavana no nisantaran’izy ireo ity fankalazana ny tsingerintaona faha-62 nahaterahan’ny filoha Marc Ravalomanana ity, izay narahin’ny fotoam-pivavahana fohy ary nofaranana tamin’ny fiaraha-mitsaingoka sy fizarana mofomamy.

Niry A

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin窶冓ty sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT