Politique

Fetison Rakoto Andrianirina Manahy ny hisian’ny korontana indray


  • Talata 13 Desambra 2011

Fampiharana ny tondrozotra, ny amin’ny lalŕmpanorenana, ny firesahana ny Repoblika faha-4, ny toeran’i Madagasikara eo anatrehan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Mitondra ny fahitany ny fipetraky ny toe-draharaham-pirenena i Fetison Rakoto Andrianirina.

 Tia Tanindrazana (T.T) : Ahoana ny fijerinao ny fizotry ny famoahana an’i Madagasikara ao anatin’izao Krizy izao ?

 

Fetison Rakoto Andrianirina (FRA) : Nandiso fanantenana ahy ilay tsy fampiharana ny tondrozotra hatramin’ny farany. Marina fa tafapetraka ny rafitra mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna kanefa tsy mbola hita taratra ilay fiarahana mitantana ny Tetezamita, hiverenantsika ao amin’ny fitondrana ara-dalàna, voafidin’ny vahoaka. Efa nifanekena sy nifanarahana tamin’ireto mpanohitra ve, ohatra, fa hotazonina ny Lalàmpanorenana voafidy farany teo ? Tsia ! Dia mbola fandraisana fanapahan-kevitra olon-tokana ihany izany…

 

T.T: Aminao izany dia tsy mbola azo ekena iny Lalàmpanorenana voafidy iny hatramin’izao ?

 

FRA : Ny fotoana dia tsy misy sahala amin’izao mba hanarenana an’ity firenentsika ity. Efa navela nigalabona sy nanaram-po nandritra ny telo taona ny fitondrana HAT ka tokony hamela ny Tetezamita iombonana hanomana ny fametrahana rafi-pitondrana ahafahana mampandroso sy hampilamina an’i Madagasikara. Manomboka amin’ny fitadiavana izay lalàna fototra eken’ny rehetra kanefa mamaly ny filàn’ny Malagasy ny asa. Ny Lalàmpanorenana nolazaina fa nametrahana ny Repoblika faha-IV tamin’ny taona 2010 dia tsy mbola azo ekena.

 

T.T : Ny Filohan’ny Tetezamita anefa efa nilaza fa efa ao anatin’ny Repoblika fahefatra isika izao ary vao avy nanaovana fety be. Ny hevitrao ?

 

FRA : Nisafidy ny hijanona ho Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, izay tsy ara-dalàna sy eken’ny rehetra Atoa Rajoelina na dia efa nomen’ny mpanao politika fahefana ho tonga Filohan’ny Tetezamita niraisana sy ankatoavina aza. Noho izany, heverina ho manala tena tsy ho Filohan’ny Tetezamita izy. Ny fankatoavana na avy eto an-toerana na avy any ivelany dia nivoitra tamin’ny alalan’ny tondrozotra ary ny tondrozotra irery ihany. Raha nekena sy nankatoavina ny Lalàmpanorenana nolazaina fa an’ny Repoblika fahefatra dia efa tamin’ny taona 2010 isika no nahazo ny fankatoavana.

 

T.T : Efa azo kosa ny fankatoavana iraisam-pirenena, na ny mpamatsy vola amin’ny alalan’ny GIC-M aza efa manaiky koa inona kosa no mahatonga anao miteny an’izany ? Sa tsy maintsy mitsikera rehefa mpanohitra ?

 

FRA : Mahafaly ny nahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena satria hanampy ny vahoaka efa sahirana izany. Ny famahana ny olana miverimberina sy lavareny kosa dia tokony hiainga amintsika Malagasy. Izay no ilana ny fiaraha-mitantana ka hanajana ny hevitr’ireo mpanao politika mandray anjara amin’ny rafitra tetezamita. Fa raha tsy izany dia ny fomba fanao teo aloha ihany no hiverina ary tsy ho ela dia hikorontana eto indray isika.

 

T.T : Inona ary ny hafatra tianao hampitaina amin’ireo rehetra tompon’andraikitra mandray anjara amin’izao rafitry ny Tetezamita izao ?

 

FRA : Manana adidy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta sy ireo rafitra mpanao lalàna ny hiaraha-hiasa amin’izay Filohan’ny Tetezamita iombonana ka hampihatra ny tondrozotra momba ny famoahana ny gadra politika, fametrahana ny falalahana demokratika, ny fampodiana an’ireo nitsoa-ponenana ara-politika. Tsy tokony ho adinon’izy ireo fa diso ary famitahana ny vahoaka sy mpiara-miombon’antoka ny volavolan-dalàna rehetra ho fampiharana ny tondrozotra izay miainga amin’ny Lalàmpanorenana izay ambara fa an’ny Repoblika fahefatra. Ilaina noho izany ny adihevitra ifampandresen-dahatra ho fadaminan-draharaha.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT