Politique

Antsirabe Nidina an-dalambe ny Komity mitaky ny fampiharana ny tondrozotra


  • Talata 13 Desambra 2011

Mitohy ary mivoatra ny hetsik’ireo “Komity mitaky ny fampiharana ny andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra” ao Vakinankaratra amin’izao fotoana.

 Taorian’izay herinandro nijoroany izay ary dia nisy sahady ny hetsika nataon’ireto komity ireto niaraka tamin’ireo vahoaka tao Antsirabe izay notarihin’Atoa Jean François Michel avy any Ambalavato. Nisy ny fidinana an-dalambe teo anoloan’ny tsagambaton’ny fahaleovantena nitondra sorabaventy nanehoan’izy ireo ny heviny. Nisongadina tamin’izany ny filazana fa “Mody aloha i Dada vao miresaka !” ary efa tokony hivoaka ireo gadra politika, indrindra ireo miaramila izay nataon’ny FAT tohatra fiakarana fotsiny kanefa nogadrainy avy eo.

Am-pilaminana tanteraka moa no nanaovana ity hetsika ity izay sady nentin’izy ireo niarahabana ny tsingerintaona faha-62-n’ny filoha Ravalomanana. Taorian’io fanehoan-kevitra teo anoloan’ny tsangambato io dia nizotra am-pilaminana nihazo ny kianjan’ny Magro Avaratsena ireto mpitolona ireto izay nanamafy fa santatra am-bavarano ihany izao hetsika izao fa mbola hitohy amin’ny endrika hafa indray. Nomarihin’ny mpitarika fa tsy maintsy ny vahoaka no manery ireo mpitondra jadona ireo amin’ny fanatanterahana ny tondrozotra vao tanteraka izany. Manomboka izao dia hofohazina avokoa ireo mpitolona hitaky haingana ny fampiharana izany izay atao mifanindran-dalana amin’ny fitakiana ataon’ireo mpitolona any anaty rafitra samihafa any.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT