Politique

Laurent Ramaroson - AVI Tokony ho notendrena ny filohan’ny CT sy CST


  • Talata 13 Desambra 2011

Tsy dia mahagaga firy ny fisian’ny savorovoro eny amin’ny CT sy ny CST isaky ny vita ny fifidianana satria efa lojikan-javatra ihany izany, hoy Atoa Laurent Ramaroson mpikambana CT ary mpikambana ao amin’ny birao politikan’ny antoko AVI.

 Nambarany fa olom-boatendry avokoa ny eny Tsimbazaza sy Anosikely ka noho izany dia tokony hotendrena ihany koa ny filohan’ireo Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, miaraka amin’ireo mpiara-miasa akaiky amin’izy ireo fa tsy fidiana izany. Raha ohatra mantsy ka fifidianana no atao dia tsy maintsy hisy foana ny tsy ho faly sy milaza fa hoe tsy nohajaina ny safidiny, hoy ihany ity mpikambana CT ity. Mibaribary be ihany koa ny tsy fifandanjan’ny hery ka raha vao fifidianana izany no atao dia ireo vondrona lehibe ihany no handrombaka ny terana rehetra, hoy ihany izy. Noho izany, araka ny filazan’Atoa Laurent Ramaroson dia ny fanendrena ireo lehiben’ny CT sy ny CST, no nety kokoa. Resaka olom-boatendry fa tsy olom-boafidy tokoa mantsy no malaza anaty tetezamita !

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT