Politique

Gadra politika Mitaky ny hampiharana ny andininy faha-16 amin’ny tondrozotra


  • Talata 13 Desambra 2011

Nisintona ny fangatahana nataony hahazoana fahafahana vonjimaika ireo gadra politika 28 lahy ao Tsiafahy, raha efa tsy nety nanao izany, araka ny toromariky ny minisitry ny fitsarana tonga tany amin’ny fampanoavana ny tao Antanimora.

 Nihemotra ireo tany Tsiafahy, rehefa nampahafantarin’ireo havany sy ny fikambanan’ny gadra politika izy ireo fa sady mifono fitaka ny fampanaovana azy ireo izany, no tsy fantatry ny ambaratongam-pitondrana, indrindra ny praiminisitra izay lehiben’ny mpiasam-panjakana, ny fisiany. Nisy ny taratasy mampahafantatra izany sy ny fandavana io fangatahana fahafahana vonjimaika io nalefan’ny fikambanan’ny gadra politika tany amin’ny praiminisitra Beriziky. Nahazo dika mitovy amin’io ny minisitry ny fitsarana, ny fampanoavana ireo mpisolovavan’ny voafonja ary ireo voafonja any Tsiafahy sy Antanimora.

Vokatr’io taratasy io no nisintonan’ireo voafonja ao Tsiafahy nisintona ny fangatahana fahafahana vonjimaika nataon’izy ireo ny alahady teo, sy nanamafisan’izy ireo fa ny fitakiana ny hampiharana ara-bakiteny ny andininy faha-16 sy faha-20 amin’ny tondrozotra, manafoana ny fanenjehana ara-pitsarana. Tokony ho efa any am-pelatanan’ny minisitry ny fitsarana io taratasy io rehefa avy mandalo ny ambaratongam-pahefana. Re anefa fa misy ny fandrirarirana tsy hamoaka ireto gadra politika ireto, izay mbola misy 44 no tavela any am-ponja.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT