• Alarobia 07 Martsa 2012
Politique.Andry Rajoelina Voan’ny nataony

Malemy tanteraka ny fitondrana tetezamita manoloana ireo fitakiana sy fitokonana miseho lany etsy sy eroa.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 07 Martsa 2012
Politique.Fa misy inona ? Mangina tanteraka ny filoha

Manoloana ny fitakian’ny manamboninahitra lefitra, izay efa manana endrika fikomiana, eo anatrehan’ny fiakaran’ny solika sy ny vidim-piainana amin’ny ankapobeny, ampian’ireo grevy sy fitakiana etsy sy eroa, dia mangina tanteraka tsy naharenesam-peo mihitsy ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, na dia mamonjy birao isan’andro eny an-dapa ihany aza.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 07 Martsa 2012
Politique.Pr Ranjeva Raymond Manelingelina ny FAT ?

Fiantsoana hiatrika fitsarana avy hatrany no niandry an’ny Profesora Ranjeva Raymond taorian’ny nizarany sy ny Firohotan’ny Olom-pirenena ho an’ny fifampihavanana na CCC tarihiny ho fanta-bahoaka ny fandinihana ny fivoaran’ny raharaham-pirenena sy ny alaolana amin’izao krizy mandrendrika ny firenena ary mila hampitolefika ny Malagasy 20 tapitrisa izao, ka nilazany fa “vitantsika ny mamaha ny olana, ny mandresy ny firaviravian-tanana sy ny famoizampo”.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 07 Martsa 2012
Politique.Tondrozotra Raharahan’ny ankolafy roa sisa

Rehefa natao ny fandinihana ny zava-misy tato ho ato izay, dia hita fa ankolafy roa ihany sisa, dia ny ankolafy Ravalomanana sy ny ankolafy Rajoelina no mbola manaraka sy mampihatra ny tondrozotra nosoniavina tamin’ny 17 septambra 2011.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 06 Martsa 2012
Politique.Mitohy ny fanelanelanana

Andrasan'ny maro ny zavatra hateraky ny fakan-kevitra ataon'ny FFKM, izay efa maro mpiantso loatra mba hanelanelanana amin'izay, satria hita ho mitarazoka ny fomba fiasan'ny mpanelanelana mahazatra.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 06 Martsa 2012
Politique.Famotsoran-keloka Hodinihan'ny governemanta fanindroany anio

Hodinihana fanindroany mandritra ny filankevitry ny governemanta amin'ity anio ity ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka sy ny fananganana ilay Komitim-pirenena momba ny fampihavanana.

Hamaky ny tohiny
FTT