Tsy dia re firy tato ho ato ny AREMA sy ny ankolafy Ratsiraka. Koa dia nitafa manokana tamin’ny Profesora Ange Andrianarisoa lehiben’ny delegasionin’ny ankolafy Ratsiraka ny Tia Tanindrazana, mba hamantarana ny hevitr’izy ireo manoloana ny raharaham-pirenena sy ireo raharaha mafampana eto amin’ny tany sy ny fanjakana ary ny tena hevitr’ireo miara-dia amin’i Deba ny amin’ny famahana ny krizy.
Tia Tanindrazana (TT) : Nolanian’ny Parlemanta nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana faha-4 farany teo ny lalàna momba ny famotsoran-keloka, ho avy ihany koa ny fandinihana ny fananganana ilay CFM na Komitin’ny fampihavanan Malagasy. Ahoana ny hevitry ny ankolafy Ratsiraka momba izany ?
Pr Ange Andrianarisoa (Pr Ange) : Tsy nanasonia ny tondrozotra izahay ao amin’ny ankolafy Ratsiraka, satria hitanay fa mbola misy zavatra tsy mety tao anatiny. Midika izany fa tsy manaiky ny fanapahan-kevitra rehetra mifandraika amin’io tondrozotra io izahay, izany hoe tsy manaiky iny lalànan’ny famotsoran-keloka iny.
TT: Nandroso hevitra amin’ny hanatanterahana ilay fihaonana an-tampony (Conférence au Sommet) ny filoha Ratsiraka. Aiza ho aiza amin’izao fotoana ny fanatanterahana azy iny fa toa nangina be mihitsy ?
Pr Ange : Iaraha-mahita fa tsy misy mandeha amin’izay laoniny ny eto. Misavoritaka tanteraka ny zava-drehetra, ary na ny samy mpitondra fanjakana sy manampahefana aza dia tsy mitovy hevitra. Natsangana ny governemantan’ny fampiraisam-pirenena saingy toa mandringa ihany ilay izy ary tsy nahavita nampitony sy nandamina. Misy antony matoa mivoaka miditra amin’ny tetezamita ny ankolafy Ravalomanana, ary nivoaka ny efitrano ihany koa fa tsy nandray anjara tamin’ny fifidianana ny lalàna momba ny famotsoran-keloka. Aminay dia ny fihaonana an-tampony ihany no vahaolana, ka averina tanteraka mihitsy ny fifampiresahana sy fifanazavana. Ny raiamandreny am-panahy ao amin’ny FFKM no tokony hampiantso io fivoriana io. Miantso ny rehetra mba hidinika sy hikaroka vahaolana handaminana sy hanavotana ny firenena ry zareo. Tsy midika velively izany fa manao politika ny FFKM. Mandray andraikitra izy fa tsy manao politika.
TT : Ka iza avy ary no handray anjara amin’io “Conférence au Sommet” io ?
Pr Ange : Voalohany aloha izy efatra mirahalahy mitarika ireo ankolafy azo sokajiana hoe goavana, dia ny filoha Didier Ratsiraka, Zafy Albert ary Marc Ravalomanana, miampy an’i Andry Rajoelina. Faharoa manaraka izany ireo mpitarika ny antoko politika sy ny fiarahamonim-pirenena. Araka ny efa nambaran’ny filoha Ratsiraka dia 4 na 5 andro no faharetan’io fivoriana io. Aminay dia be loatra ny tsy fetezana ao amin’ny tondrozotra ka noho izany ny fanatanterahana ny “Conférence au Sommet” ihany no tena vahaolana mahomby hamahana izao krizy izao.
TT : Nanatitra taratasy fitarainana sy fangataham-panazavana tany amin’ny SADC ny alatsinainy teo ny ankolafy Ravalomanana. Efa nanao tahaka izany koa ny ankolafy Zafy, midika inona aminareo izany rehetra izany ?
Pr Ange : Zo an-dry zareo tanteraka ny manao izany rehefa mahita zavatra tsy mety izy ireo, satria nanasonia ny tondrozotra ireo ankolafy roa ireo. Averiko ihany fa misy zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy ao anatin’io fitondrana tetezamita io. Tsy nety ilay tondrozotra dia tsy mahagaga raha mitarika fifanolanana isan-karazany. Hita ho somary misy fitavozavozana koa moa ny famahana sy fandravonana ireo olana ka dia miha mafy hatrany ny krizy amin’ny fiaraha-mitantana ny tetezamita.
TT : Ahoana ny hevitrao tamin’ny fanesorana ny minisitry ny tontolo iainana sy ny ala farany teo ?
Pr Ange : Tsy nanasonia ny tondrozotra izahay, ka tsy dia misy idiranay loatra izy io ary tsy mahakasika anay mihitsy. Ny fahitako azy manokana kosa dia mariky ny fisian’ny tsy fitovian-kevitra amin’ny fitantanana ny firenena io. Na ny filohan’ny tetezamita sy ny praiminisitra aza tsy mitovy hevitra !
TT : Nandao an’i Madagasikara tamin’ny volana desambra 2011 ny amiraly Ratsiraka, dimy volana aty aoriana mbola tsy niverina. Mbola ho avy eto ihany ve izy ?
Pr Ange : Maro ny fandaminana tsy maintsy atao, tsy ho be resaka aho fa ny teniko fotsiny dia tsy maintsy tonga eto Madagasikara ny filoha Ratsiraka.
TT : Tsy maintsy hiatrika fifidianana isika na ho ela na ho haingana. Handray anjara ve ny Arema ary efa manana kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ve ianareo ?
Pr Ange : Antoko matanjaka ny Arema. Vonona amin’ny fifidianana rehetra. Manana olona mahavita azy maro izahay, fa araka ny efa nambarako ihany dia mila milamina aloha ny firenena vao miroso amin’izany fifidianana izany.
TT : Mirongatra ny tsy fandriampahalemana tato anatin’ny volana maromaro izao. Vaky trano, vono olona, fakana an-keriny sy herisetra isan-karazany. Inona aminao no mety antony mahatonga ireny satria maro be mantsy ny resaka etsy sy eroa momba azy io ?
Pr Ange : Tsotra ny anton’io. Sahirana ny olona dia mahasahy manaotao foana. Efa tena henjana anie izany hoe manafika tranona jeneraly izany ka mamono amin’ny fomba feno habibiana azy mianakavy e ! Dia jereo ihany koa ireny hoe nisy nanendaka ny kolonely Lylison. Izay ilay nambarako teo hoe : tsy milamina mihitsy eto amin’ny firenena, ka mila manao fihaonambe iray vaovao mihitsy aloha isika mba hahafahana tena mihavana sy mifanaraka. Mifanakalo hevitra ary mikaroka ny vahaolana, mahomby ary eken’ny rehetra.
Isaorana ny Profesora Ange Andrianarisoa avy amin’ny ankolafy Ratsiraka nanaiky nivahiny teto amin’ny Tia Tanindrazana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.