Tsy olan’ny ankolafy Zafy ny fanesorana ny minisitry ny tontolo iainana sy ny ala satria tsy nanolotra olona amin’io toerana io ny ankolafy Zafy Albert fa raharahan’ny Dr Randriamiandrisoa Joseph tamin’ny praiminisitra Beriziky ary i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT izany, hoy i Lalatiana Ravololomanana.
Nohamafisin’ity farany noho izany fa tsy hanolotra olona hisolo toerana ny Dr Joseph, araka ny resaka miely, sady tsy hiditra amin’ny tetezamita koa ry zareo na dia misy aza taratasy fangatahana anarana nalefan’ny praiminisitra tamin’ny profesora Zafy. Nahazo kihana koa anefa ny minisitra teo aloha tamin’ny ampamoaka nataony. Amin’ny ankolafy Zafy dia tokony ho fony izy mbola mpikambana tao amin’ny governemanta no efa nanapoaka ny raharaha fa tsy miandry nesorina, indrindra fa efa nisy ny fitoriana napetraky ny filoha teo aloha Zafy Albert momba ny “bois de rose”. Momba io fitoriana io indrindra dia efa nampirimina ny dosie ary eny am-pelatanan’ny ministeran’ny fitsarana araka ny fampitam-baovao nomen’ny mpampanoa lalàna, Rajoelina Hugues, ny solontenan’ny ankolafy Zafy ny ampitson’ny nandehanan’izy ireo teny Anosy.
Tsy hanaiky lembenana manoloana izany anefa ireto farany ka hiakatra etsy amin’ny ministeran’ny fitsarana eny Faravohitra anio amin’ny folo ora hanontany ny minisitra ny antony nampirimana ny dosie. Mety hifampitady indray izany ny roa tonta satria raha tsy miova ny fandaharam-potoanan-dRtoa Razanamahasoa Christine dia manao fitokanana any Mahajanga ny tenany anio. Nasian’ny ankolafy Zafy resaka koa ny momba ny famotsoran-keloka. “Hitondra an’i Madagasikara any an-kady io”, hoy i Lalatiana Ravololomanana satria sady mpilalao no mpitsara no namolavola azy. Voatonona anarana manokana amin’izany i Maharante Jean de Dieu, mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, izay anisan’ny ekipa teknika nandrafitra ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka kanefa miandrandra azy koa.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.