Politique

Tsy Aritra Samy manao izay tiany


  • Alakamisy 19 Aprily 2012

Manamafy ny ankolafy Ratsiraka tamin’ny alalan’ny Profesora Ange Andrianarisoa, araka ny resaka nifanaovana taminy fa tena misavoritaka ambony ambany ny eto amin’ny firenena, ary mikorontana ny fitantanana ny tetezamita satria tsy mitovy hevitra sy fomba fijery ny samy mpitondra.

 Izay no antony mampikatso ny tondrozotra, tsy mety tanteraka ilay fiaraha-mitantana. Mifandrafy ny ankolafy Ravalomanana sy Rajoelina, misy koa aza ny samy ao anaty ankolafy mifamingana sy mifamitaka. Mandeha be indray izao ny feo fa raikitra ny savorovoro ao ambonimbony ao, satria samy te ho sefo ireo manampahefana. Misy ny tompon’andraikitra ambony, ambara fa nanodinkodina vola amina miliara, ao koa ny malaza fa manao fanaparam-pahefana sy miray petsapetsa amina mpandraharaha manao afera maloto. Misy no voalaza fa tsy manao sonia raha tsy mahazo vola an-tapitrisany. Misy ihany koa ny tonga dia manapa-kevitra ny hanetsika ny andrimasom-pokonolona tampoka izany, dia tsy hay intsony ny tena tomponandraikitra mahefa amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana. Etsy ankilan’izay dia maro koa ireo mpanao politika mivadibadi-dela, manda ny tondrozotra avy eo manaiky indray, milaza fa tsy olana ny fodian’i Marc Ravalomanana eto, izao milaza indray hoe aleo izy hijanona any Afrika Atsimo any. Tsy manana foto-kevitra mazava ijoroana fa dia miovaova isaky ny toetry ny andro angamba. Nalaza ratsy amin’ny afera maizina isan-karazany sy ny fanangonan-karena ny mpitondra sy ny fianakaviany tao anatin’ity tetezamita ity. Telo taona no dila dia io fa efa manomboka ny ady an-trano madinidinika sy ny fifaminganana am-pitoerana. Tsy hay intsony na tena izy, na sinema hanadalana ny sain’ny olona fotsiny. Fa na sinema io, na tena izy dia mazava aloha ny zava-misy : sahirana ny fitondrana tetezamita, tsy mahavita azy, tsy voafehin’i Andry Rajoelina intsony ny raharaha ary samy manao izay tiany ny olona, dia izay mafy be foana...aloha no mandresy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT