Tsy mbola mivaha ny olan’ny mpanao asa tanana ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania. Efa nisy vahaolana nomen’ny Ministera saingy misy ny sakantsakana ataon’ny sokajin’olona sasany ao Ambositra. Nitondra ny heviny ka nitafa tamin’ny Tia Tanindrazana, Randriatahiana Jacque Pierre na i Mamonjy.
Tia Tanindrazana (TT) : Taorian’ny fandalovan’ny solontenan’ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny asa tanana teto Ambositra, inona no akon’izay amin’izao fotoana izao ?
Randriatahiana Jacque Pierre (Mamonjy) : Marina tokoa fa tonga taty Ambositra ny solontenan’ny Ministera foibe nihaino anay mpanao asa tanana ary isaoranay ny finiavan’izy ireo hikaro-bahaolana mikasika ny olan’ny asa tanana eto amin’ny Faritra. Ny zavatra hitanay anefa tato anatin’ny andro vitsivitsy izao dia misy toetra tsy mendrika ataon’ny mpitondra eto an-toerana mampiady ny samy mpanao asa tanana eto ka mampiditra viriosy ao amin’ity sehatry ny asa ity.
(TT): Inona ilay viriosy miditra ao aminareo ary inona ny tena zava-misy marina ?
Mamonjy : Nisy olona iray avy aminay mpanao asa tanana teto Ambositra niditra onjam-peo iray teto Ambositra nanazava ilay boky kely mirakitra ireo fehezan-dalàna mifehy ny asa tanana avy any amin’ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny asa tanana. Ny mampalahelo anay dia nirahin’ny mpitondra ao amin’ny Faritra izy io hanakorontana ny saim-bahoaka sy ny mpanao asa tanana izay efa miandry vahaolana amin’ny tsy fisin’ny akora fototra. Aminay dia endrika fanavakavahana ny samy mpanao asa tanana no tian’ilay olona nilaza fa misy ny tena mpanao asa tanana ary misy ny tsy mpanao asa tanana ao Ambositra. Io ilay viriosy nampidirin’ny mpitondra ao ao Amoron’i Mania hampisaham-bazana ny vahoaka satria tsy mbola nisy nilaza izany hatramin’izay.
TT : Inona marina ny vahaolana ho anareo mpanao asa tanana ireto ?
Mamonjy : Mikiribiby hanakorontana ny mpanao asa tanana ny mpitondra eto ka takianay araka ny efa nambaranay tamin’ny fidinana an-dalambe natao tamin’ny 14 mey 2011 teo ny hanesorana haingana ny Lehiben’ny Faritra Amoron’i Mania satria tsy mahavaha ny olana fa miezaka mandrafy ny samy mpanao asa tanana. Olona mahafehy ny fifandraisana amin’ny vahoaka sy afaka mamaha ny olanay no tokony hitondra ity Faritra ity.
TT : Mitondra vahaolana haingana tokoa ve ny fialan’ny mpitantana ny Faritra raha olana ara-akora no misy eo aminareo mpanao asa tanana ?
Mamonjy : Eny, satria tsy manana hevitra afa-tsy ny mamorona ekipa handrava ny efa atao io Lehiben’ny Faritra io ary hatramin’ny haino aman-jery eto Ambositra aza anjakany sy ampiharany ny fahefany. Mahatsiaro voailikilika ny vahoaka eto amin’ny Faritra noho ireo viriosy foroniny hampiady ny mpanao asa tanana. Mahazo tombontsoa maro ireo mpitondra ao amin’ny Faritra ao raha manjaka ireo mpiara-dia aminy ireo ka tsy ekenay ny endrin-javatra toy izany.
TT : Aminao manokana, inona no heverinao fa soso-kevitra hikaroham-bahaolana ankoatra ny fanesorana ny mpitantana ao amin’ny Faritra ?
Mamonjy : Tsy misy afa-tsy ny fametrahana haingana ny Talem-paritry ny asa tanana eto Amoron’i Mania hiasa ho an’ny mpanao asa tanana sy hikaro-bahaolana miaraka. Manentana ny mpanao asa tanana rehetra eto Amoron’i Mania ny tenako hilofo amin’ny asa ka tsy ho voarebirebin’ny sasany satria tombontsoa ho an’ny hafa ny fivakisan’ny firaisankinantsika ka aoka samy hiray hina. Misaotra manokana ny Minisiteran’ny fampiroboroboana ny asa tanana ny tenako tamin’ireo ezaka efa nataony, andrasanay ny vahaolana maharitra satria ny fanomezana akora hoentinay hiasa dia fanoitra hampandroso ny tontolon’ny asa tanana.
Nangonin’i Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.