Politique

Maitre Avoko «Mila manongana isika»


  • Alarobia 18 Aprily 2012

Mitohy hatrany ny fitetezam-paritry ny hetsika Masoandro Maraina Maitre Avoko Rakotoarijaona, ka ny herinandro lasa iny dia ny faritr’i Vakinankaratra, ka tao Ankazomiriotra sy Betafo izy ireo.

 Araka ny filazan’ny mpikarakara dia maro be hatrany ireo olona nanatrika ny fampianarana sy ny fanazavan-kevitra, ary dia namaly ny antso ihany koa ireo manampahefana tany an-toerana. Ny tantaran’i Madagasikara, ny tsara ho fantatra momba ny antony mahatonga ny krizy sy tsy mampivaha azy ary ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny moa no nifantohan’ny fanazavana sy ny adihevitra. Raha nandray fitenenana moa ny olona dia samy milaza fa efa tena reraka sy lanaky ny fisondrotry ny vidim-piainana sy ny sangodim-panina politika ato anatin’ny krizy ka mila vahaolana haingana. Araka ny fanazavan’ny Maitre Avoko moa dia efa tena mahazo vahana loatra eto amintsika ny ratsy sy ny asan’ny maizina. Za-dratsy loatra isika Malagasy ka tsy olana amintsika intsony ny mandainga, misoloky, mamitaka ary manao kolikoly. Noho izany, araka ny heviny dia «mila manongana mihitsy aloha isika, manongana ny tenantsika tsirairay avy, mba hiala amin’izany haizina izany, ka izay vao manorina zava-baovao ho amin’ny tsara kokoa». Fantatra ihany koa fa hifanome tanana amin’ny andrimasom-pokonolona ireo mpikatroka kung-fu manerana ny Nosy amin’ny fiambenana ny tanàna sy fitandroana ny fandriampahalemana, indrindra fa any ambanivohitra izay tena hanjakan’ny asan-dahalo.

 

Herin’ny maizina

 

Nampiavaka ity dian’ny hetsika Masoandro Maraina tany Vakinankaratra ity ihany koa ny vaky bantsilana nataon’ny Maitre Avoko tamin’ny fampianarana nataony, ka nilazany ampahibemaso ny asan’ny maizina ataon’ny GOF (Grand Orient de France) izay efa iaraha-mahalala fa fikambanana «Franc-Maçon» niorina tamin’ny 26 jona 1773. Araka ny fanazavany ary dia io fikambanana io no anisan’ny namolavola sy mbola manidy an’i Madagasikara hatramin’izao. Porofon’izany, araka ny fanazavan’ny Maitre Avoko ihany, ny efa niverenan’ny fahaleovantenantsika tamin’ny taona 1958, saingy tsy maintsy nandrasana ny datin’ny 26 jona 1960, hanambarana azy tamin’ny fomba ofisaly teo Mahamasina mba hitovizany amin’ny niorenan’ny Grand Orient de France. Ka ny Malagasy tsy mahalala ny tena marina, mifaly sy mifety rehefa 26 jona, ary ny asan’ny maizina koa mifaly sy manao ireo fombafomba maro samihafa hamatorany hatrany an’i Madagasikara, dia izao voageja tsy mety mahita mazava izao isika fa krizy isaky ny mihetsika.

 

Kitiho aho, dia ho hita eo ...

 

Manoloana ireo manana eritreritra ny hanampim-bava na hisambotra azy dia hentitra ny tenin’ny Maitre Avoko Rakotoarijaona : «madio sy saiko sy ny fanahiko, satria adidy masina ho an’ny tanindrazana izao ataoko izao, ary tsy manao ratsy aho. Tsy misy tokony hisamborana ahy, ary kitiho eo aho, dia ho hitantsika ny tohiny !».

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT