Politique

Ankolafy Zafy sy ny Toliara Mijoro Manameloka ny fanalana ny minisitry ny tontolo iainana


  • Alarobia 18 Aprily 2012


Nivoitra tamin’ny fanambarana nataon’ny firehana Zafy Albert Atsimo Andrefana sy ny antoko politika Toliara Mijoro, nandritra ny fihaonan’ny tamin’ny mpanao gazety, omaly talata 17 aprily 2012, fa “fanapahan-kevitra tsy am-pahendrena sady tsy fitiavan’olona ary fanavakavahana no noraisin’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, nanala ny minisitry ny tontolo iainana, ny Dr Randriamiandrisoa Joseph”. Nilaza sy nanamafy nandritra io fihaonana tamin’ny mpampahalala vaovao io i Tsimilamaro Vahinisoa, mpiara-mitantana fa “manameloka tanteraka ny fanalana ny minisitry ny tontolo iainana avy amin’ny Ankolafy Zafy Albert noho ny tsy fanajana ny sori-dalana misy niaraha-nanao sonia, famoronana olana ara-politika vaovao indray ary fanaovana tsinontsinona ny Ankolafy Zafy Albert”.
Nangonin’i Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT