• Alarobia 03 Oktobra 2012
Politique.Alain Ramaroson Nanaovan’ny Emmo-Reg be midina teny an-tranony

Saika nandriaka ny ra teny an-tranon’i Alain Ramaroson eny Andoharanofotsy teny omaly raha samy tsy nahatsindry fo ny teo amin’ireo mpiambina ity filohan’ny vaomieran’ny fiarovana sy ny fandriampahalemana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity sy ny miaramilan’ny Emmo-Reg roapolo lahy nentina lietnà iraky ny jeneraly Richard Ravalomanana, nanao be midina teny aminy omaly tolakandro tamin’ny efatra ora sy sasany.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 03 Oktobra 2012
Politique.Kandida filoham-pirenena Mihazakazaka maka ny fon’i Faradofay

Mpanao politika roalahy tsy zoviana amin’ny malagasy no andrasana any Faradofay amin’io faran’ny herinandro io. Samy kandida hilatsaka hofidina ho filoham-pirenena avokoa izy ireo.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 03 Oktobra 2012
Politique.Lalatiana sy Fidèle Free-FM Libra

Efa nandao ny masoivohon’i Afrika Atsimo nanomboka ny sabotsy 29 septambra 2012 lasa teo ary libra, afaka miaina malalaka tahaka ny olon-drehetra ireo mpanao gazety telo mianadahy avy ao amin’ny onjampeo Free FM, dia i Lalatiana Rakotondrazafy, Fidèle Razara Pierre ary Lalanirina Razanajatovo.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 03 Oktobra 2012
Politique.Magro Mahajanga Nakotroka ny hetsika fanomanana ny fitsenana an’i Dada

Ambohipihaonan’ny Zanak’i Dada notarihan’ny CT Dr Randrianandrasana Patrice ny renivohitr’i Boeny tao amin’ny kianjan’ny Fitiavana, Magro Majunga-Be ny sabotsy 29 septambra 2012.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 03 Oktobra 2012
Politique.Manandafy Rakotonirina Izay lanin’ny FFKM ihany

“Mpisandoka, tsy misy dikany ireo”, hoy i Manandafy Rakotonirina manoloana ny fahalanian’ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra misahana ny Fampihavanana na ny FFM.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 03 Oktobra 2012
Politique.Rafidinjatovo Zafimahaleo dit Fidison Vonona hitarika hetsika ao Fianarantsoa

Vonona ny hitarika ny hetsika ao Fianarantsoa ny tenako miaraka amin’ireo CT sy namana hafa, hoy i Rafidinjatovo Zafimahaleo dit Fidison avy amin’ny ankolafy Zafy Albert omaly tetsy amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka.

Hamaky ny tohiny
FTT