Saika nandriaka ny ra teny an-tranon’i Alain Ramaroson eny Andoharanofotsy teny omaly raha samy tsy nahatsindry fo ny teo amin’ireo mpiambina ity filohan’ny vaomieran’ny fiarovana sy ny fandriampahalemana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity sy ny miaramilan’ny Emmo-Reg roapolo lahy nentina lietnà iraky ny jeneraly Richard Ravalomanana, nanao be midina teny aminy omaly tolakandro tamin’ny efatra ora sy sasany.
Asa na fifanojoan-javatra na efa nomanina fa nisy vaditany tonga koa teny an-tranon’i Alain Ramaroson tamin’io. Hitaky amin’i Alain Ramaroson ny porofo mikasika ny fiampangana olona maromaro ho tao ambadiky ny fahafatesan’ny minisitry ny mponina sy ny raharaha sosialy teo aloha, Nadine Ramaroson, ity vaditany ity, izay araka ny fanazavan’ireo olona akaiky an’i Alain Ramaroson dia iraky ny Praiminisitra lefitra Hajo Andrianainarivelo. Nanao “sommation interpellative” moa no filaza ny asa nataon’ilay vaditany amin’ny voambolana araka ny lalàna, ary mila fahazoan-dalana avy amin’ny fitsarana ny fanatanterahana azy. Mety hiaro ilay vaditany amin’ny fanatanterahany ny asany kosa no nandefasana ny Emmo-Reg.
Tafiditra tao anatin’ny faritry ny fonenan’i Alain Ramaroson ny folo tamin’ireo miaramila Emmo-Reg izay voalaza fa nisisika. Tao an-tranony i Alain Ramaroson tamin’io ary nilaza fa efa any amin’ny fitsarana ireo zava-boalazany mikasika iny raharaha Nadine Ramaroson iny. Nanao firaketana an-tsoratra ny zava-nitranga tao aminy io omaly io i Alain Ramaroson niaraka tamin’ny mpisolovavany. Noraisin’izy ireo ho fidirana an-keriny ny trano fonenany miharo fampihorohoroana ny zava-niseho, ary dia milaza ny hitondra ny raharaha eo amin’ny fitsarana koa izy, ary dia tsy hanaiky hatramin’ny farany, araka ny fanazavan’ny olona manodidina azy hatrany. Mbola ho tantara mitohy, araka izany, ity raharaha ity fa tsy hijanona amin’ny resaka an-gazety fotsiny intsony.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.