Politique

Lalatiana sy Fidčle Free-FM Libra


  • Alarobia 03 Oktobra 2012

Efa nandao ny masoivohon’i Afrika Atsimo nanomboka ny sabotsy 29 septambra 2012 lasa teo ary libra, afaka miaina malalaka tahaka ny olon-drehetra ireo mpanao gazety telo mianadahy avy ao amin’ny onjampeo Free FM, dia i Lalatiana Rakotondrazafy, Fidčle Razara Pierre ary Lalanirina Razanajatovo.

 Araka ny fanambarana navoakan’izy ireo omaly, dia vokatry ny fifanarahana teo amin’ny masoivohon’i Afrika Atsimo, ny SADC, ireo mpiara-miasa iraisam-pirenena avy ao amin’ny Firenena Mikambana ary ny fitondrana tetezamita no nivoahan’ny marimaritra iraisana. Roa volana moa izy telo mianadahy ireto no nialokaloka tao amin’ny masoivohon’i Afrika Atsimo. Marihana fa nampangain’ny fitondrana tetezamita ho manaparitaka vaovao tsy marina sy mitarika ny olona hikomy sy hanongam-panjakana izy ireo. Tao amin’ny Radio Viva no niaingan’ny fandaharana "Anao ny fitenenana" tamin’ny 2008, ary anisan’ny mpanentana, niaraka tamin’i Lalatiana sy Fidèle tao ihany koa ny minisitry ny serasera ankehitriny, Rahajason Harry Laurent fantatra amin’ny hoe Rolly Mercia eo amin’ny soratra an-gazety. Somary nasiaka tamin’ny fanakianana ny antoko TGV sy ny zavatra tsy mety ataon’ny manampahefana sasany tao amin’ny FAT anefa i Lalatiana sy Fidèle, koa niha nangatsiaka ny fifandraisan’izy ireo tamin’i Andry Rajoelina. Niafara tamin’ny fandroahana azy ireo mihitsy izany.

Nifindra lasy tamina onjampeo tsy miankina iray hafa izy ireo, taorian’izay ka teraka teo ny Free FM. Niha mafy ny fanakianana ny FAT, nanomboka nivoaka ny tsiambaratelo isan-karazany. Somary niova loko ny hetsika ka nanangana fikambanana ry La.Fi, nitatra tany amin’ny fidinana an-dalambe ho fitakiana ny mangarahara sy ny fahafahana maneho hevitra an-kalalahana ny resaka, dia efa niaraha-nahalala ny tohiny. Voaantso teny amin’ny zandary Fiadanana avy eo teny Betongolo izy mianadahy ireto tamin’ny aprily 2012. Efa namoahana didy fampisamborana koa ireto mpanao gazetin’ny Free FM ireto, saingy tsy nahovoka tamin’ny fisamborana azy ireo ny Emmo Reg. Niditra an-tsehatra ny resaka diplaomasia tamin’ny alalan’ny masoivohon’i Afrika Atsimo sy ny biraom-pifandraisan’ny SADC teto Antananarivo. Roa volana aty aoriana dia nilefitra izany ny fitondrana tetezamita ka nikipy maso nanoloana ny nambarany fa heloka vitan’i Lalatiana Rakotondrazafy sy Fidèle Razara Pierre, na dia nanitrikitrika fatratra aza ny jeneraly Richard Ravalomanana fa famoriam-bahoaka tsy nahazoan-dalana ary nahitana olona mitam-basy no nataon’izy ireo. Nisaotra manokana an’Atoa Gert Grobler, masoivohon’i Afrika Atsimo eto Madagasikara, noho ny fiarovany sy fanampiany azy ireo tamin’ny fiarovana ny zo haneho hevitra moa, ireto mpanao gazetin’ny Free FM ireto, ary manantena fa hanara-maso akaiky, isan’andro ny fanajana io zo io, ireo fikambanana iraisam-pirenena, ary mba samy hanaja ny teny nomeny koa ny rehetra.

Fantatra fa hiverina handeha ihany koa ny onjampeo Free FM, saingy tsy mbola hisy aloha ny fandaharana "Anao ny fitenenana". Nilaza i Lalatiana sy Fidèle fa mbola mila fotoana hisaintsainana sy handinihana tsara ny zava-misy aloha izy ireo, ary mbola mba hiala sasatra kely koa, taorian’izay zavatra niainana izay. Nanamafy anefa izy ireo fa mbola vonona ny hanompo ny firenena. Mazava ny resaka eto fa dia nilefitra manoloana ny Free FM i Andry Rajoelina sy ny ekipany. Henjana dia henjana anefa ny zavatra nivoaka tao amin’ity onjampeo ity, ary nirarakompana ny famoahana tsiambaratelo sy ny fanononana anaran’olona, voalohany amin’izany i Andry Rajoelina. Azo antoka fa voaresaka nandritra ny dinika natao ny momba ilay andininy faha-17 ao amin’ny tondrozotra izay mandidy ny hanajana ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra sy ny asa fanaovan-gazety ao ambadik’izany ny hanokafana ireo, haino aman-jery rehetra nakaton’ny FAT, ka izay no hahafahan’ny Free FM miverina mandefa fandaharana indray.

Fa mba ahoana kosa ary ny momba ny Radio Mada sy ny Radio Fahazavana ? Satria rehefa dinihana dia mitovitovy tamin’ny nataon’ny Free FM ihany, ny nataon’ireo onjampeo roa ireo, ny mpiasa folo mianadahy tao amin’ny Radio Fahazavana ka mpanao gazety ny enina aza dia efa nogadraina nandritra ny efa-bolana teny Antanimora mihitsy nanomboka ny volana mey 2010. Talohan’ireo dia efa notanana herinandro teny Antanimora koa ny mpanao gazety Evaritse Ramanantsoavina tao tamin’ny Radio Mada, ny volana mey 2009.

Ny andrasan’ny maro izao dia ny mety ho fihetsiky ny masoivohon’i Afrika Atsimo sy ny SADC ny amin’ny andraikitra sy asa fanelanelanana mety hataon’izy ireo, ny amin’ny fahafahan’ny Radio Mada sy Radio Fahazavana miverina miasa ihany koa amin’ny anaran’ny fanajana ny fahafahana maneho hevitra. Hamaranana azy dia tsaroana etoana ny kabarin’ny filoha Amerikanina Barack Obama manoloana ny fivoriambe faha-67 n’ny Firenena Mikambana tany New York farany teo : "Fantatro fa maro be ny fanakianana sy fanomezana anaram-bositra ahy, eny mety fanosoram-potaka ahy mihitsy aza any ambadika rehetra any. Izaho manokana dia mbola hijoro hiaro ny fahafahan’ireny olona ireny, maneho hevitra na dia manakiana mafy ahy aza izy ireny, satria saropady loatra izany zo sy fahafahana maneho hevitra izany...".

Raha hiresaka demokrasia dia tsy maintsy miresaka ny fahafahana maneho hevitra an-kalalahana, eny fa na dia mety manelingelina ny mpitondra fanjakana aza izany. Raha nisafidy ny lalan’ny fanovana tokoa i Madagasikara, dia tokony ho sahy mampihatra izany, any amin’ny sehatra rehetra ny mpitondra fanjakana, ary tsy manavakavaka fa na mpanohana na mpanohitra ny fitondrana, dia tokony samy avela haneho hevitra. Raha tena mahay sy mahiratra ny olona iray dia mahita hevitra foana, handresena ny hevitry ny hafa mifanandrina aminy, fa tsy hery na basy mihitsy no entina miady amin’ny hevitra.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT