Politique

Kandida filoham-pirenena Mihazakazaka maka ny fon’i Faradofay


  • Alarobia 03 Oktobra 2012

Mpanao politika roalahy tsy zoviana amin’ny malagasy no andrasana any Faradofay amin’io faran’ny herinandro io. Samy kandida hilatsaka hofidina ho filoham-pirenena avokoa izy ireo.

Ny iray ny filohan’ny antoko Monima ka Miviombio, Monja Roindefo sy ireo mpiara-dia aminy, ny faharoa ny filohan’ny MDM, Pierrot Rajaonarivelo. Samy manetsika ny ekipany any an-toerana izy mirahalahy ireo. Tsy mahavahiny ny mpanara-baovao politika izao diabe ataon’izy ireo any amin’iny Faritra Anôsy iny izao. Fanazavana ny raharaham-pirenena mikasika ny antoko ary tsy ho diso anjara amin’izany ny fanamafisana ny ho filatsahana hofidina ho filohan’ny Repoblika amin’io taona 2013 io. Ny alakamisy 4 oktobra i Monja Roindefo, no hihaona amin’ireo mpiara-dia aminy, ary ny sabotsy 6 Oktobra kosa i Pierrot Rajaonarivelo. Ity farany voalaza fa hitety ny faritra atsimo iray manontolo.

Haresaka izany ao Faradofay. Amin’ny ankapobeny, saika efa nanao savalalana tany an-toerana avokoa ny solontenan’ireo mpanao politika manana eritreritra ny hilatsaka hofidina, anisan’izany ny GFFM an’ny Pastera Mailhol. Fa anisan’ny nampametraka fanontaniana ny maro ny tsy nahasahian’ny ekipan’ny TGV namaky lay nihaona tamin’ny vahoaka tany an-toerana, herinandro vitsy lasa izay. Voalazan’ny haino aman-jerim-panjakana mantsy fa nandalo tany an-toerana ireo minisitra telo lahy akaiky ny filohan’ny FAT, dia ny serasera, ny vola ary ny fanajariana ny tany. Na fantatra fa resaka politika no anton-dian’izy ireo tany, dia tsy nahavaky kianja. Fa naninona ny fitondrana FAT àry i Faradofay ô ?

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT