Politique

Rafidinjatovo Zafimahaleo dit Fidison Vonona hitarika hetsika ao Fianarantsoa


  • Alarobia 03 Oktobra 2012

Vonona ny hitarika ny hetsika ao Fianarantsoa ny tenako miaraka amin’ireo CT sy namana hafa, hoy i Rafidinjatovo Zafimahaleo dit Fidison avy amin’ny ankolafy Zafy Albert omaly tetsy amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka.

 Isika tsy naman’ny mihemotra, hoy izy, ka na inon-kitranga, na inon-kidona dia roso toy tsa mipody koa. Vao avy tany Fianarantsoa aho tamin’ny herinandro lasa teo , hoy izy, ary rehefa nangataka tso-drano tamin’ireo raiamandreny isan-tokony dia niditra niteny nivantana tao amin’ny tele Sofia sy ny Radio Mampita ka nanao ny tatitra ny zava-misy amin’ny fanohizana ny tolona eto  amin’ny Magro Behoririka sy nanazava tamin’ny antsipirihany ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny ary  koa nampihomana ny mpiara-mitolona sy Fianarantsoa manontolo amin’ny fitsenana an’i Dada ho avy tsy ho ela. Raha ny marina, hoy i Fidison, dia izany Rabenja izany sy i Pety Rakotoniaina no misakana ny tsy fahazoan’ny olona manao hetsika tao amin’ny Magro tany an-toerana. Efa tonga saina anefa ny mpomba azy ireo tamin’ny tsy fetezan’ny fanonganam-panjakana natao tamin’ny 2009 ankehitriny. Mangorohoro amin’ny fahatongavan’i Dada izy ireo ankehitriny.

I Fianarantsoa anefa dia mila ny fahatongavan’i Dada fa tena manina azy satria efa mihapotika sahady ny lalana namboariny hatrany Camp Robin mandra-pahatonga any amin’ny “croisement” noho ny tsy fisian’ny fikarakarana nahazatra intsony. Fianarantsoa ihany koa mila fandrosoana fa tsy hanjakan’ny mpangarom-paosy sy zatozato (mpisam) tahaka ny amin’izao fotoana izao. Mila manao bôgôsy isika rehetra fa ho avy i Dada hoy i Fidison.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT