Politique

Magro Mahajanga Nakotroka ny hetsika fanomanana ny fitsenana an’i Dada


  • Alarobia 03 Oktobra 2012

Ambohipihaonan’ny Zanak’i Dada notarihan’ny CT Dr Randrianandrasana Patrice ny renivohitr’i Boeny tao amin’ny kianjan’ny Fitiavana, Magro Majunga-Be ny sabotsy 29 septambra 2012.

Vory lanona ny vahoaka nantsoina ary tsy nikely soroka tamin’ny fandraisana anjara amin’ny fanampiana ny hoenti-manana amin’ny fitsenana ny Filoha Marc Ravalomanana. Tonga maro ireo sokajin’olona tsy an-kanavaka monina ao Mahajanga nirohotra tao amin’ity toerana ity ary nampiseho tokoa ny firaiketam-pony amin’ny Filoha Ravalomanana. Nifanome toky ireto vahoakan’i Mahajanga ireto sy ny Zanak’i Dada any an-toerana fa hirohotra hanao diabe amin’ny fitsenana ny Raiamandreny aty Antananarivo. Vokatry ny hafanam-po sy ny hafaliana tsy omby tratra ary ny firariana anaty amin’ny hahatongavan’i Dada dia raikitra ny dihy sy fiaraha-nitsinjaka niarahana tamin’ny tarika mpampandihy malaza any Mahajanga.

Hisaorana ny rehetra izany fihetsika mahate-hidera izany, hoy ny Dr Patrice, ary singanina amin’ireny ankoatra ny vahoakan’i Mahajanga ny solontenan’ny ao amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka nahitana ny fikambanana FIMAPRO tao anatiny. Nahazo hery lehibe i Mahajanga, hoy ny CT Randrianandrasana, noho ny tohana amin’ny lafiny rehetra azony ary dia handray am-pahatoniana toy ny vahoaka rehetra manerana ny Nosy ny fiavian’ny Filoha Marc Ravalomanana hitondra fanafody hamahana izao krizy lalina mahazo ny firenena sy ny vahoaka Malagasy izao.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT