“Mpisandoka, tsy misy dikany ireo”, hoy i Manandafy Rakotonirina manoloana ny fahalanian’ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra misahana ny Fampihavanana na ny FFM.
Ho anay dia izay lanin’ny FFKM ihany, hoy ny filoha nasionalin’ny MFM. Raha ny tantara dia ny fiangonana no nandrava ny fanandevozana teto amintsika, araka ny fanazavany ihany. Tany amin’ny taona 1991 dia isan’ireo nampiditra ny FFKM tamin’ny raharaha politika i Manandafy ka vokatra azo tamin’izany ny lalàmpanorenana ary dia nety ny nitarihan’Itompokolahy Razanamasy ny tetezamita tamin’ny fotoan’androny. Ny zava-misy anefa, hoy izy dia mpanongam-panjakana no misy eto amintsika.
Mikasika ity FFM ity dia fantatra fa tsy hipetra-potsiny ireo kandida sy vondrona nanolotra kandida hisafidianana azy 44 mpikambana ao, fa dia hanao hetsika ho fanoherana iny lisitra nivoaka tamin’ny alatsinainy 01 oktobra iny, izay ambaran’izy ireo fa feno hosoka. Hatry ny omaly dia efa nisy ny fifampiantsoana sy fifanantonana teo amin’izy ireo. Anisan’ny soso-kevitra miainga ny hoe hifanintsana ireo kandida isaky ny Faritra, toy ireny “Primaire” amin’ny fifidianana filoham-pirenena, hamoahana ireo olona roa hisolotena ny Faritra. Tsiahivina fa nisy 981 ireo olona nametraka taratasy filatsahan-kofidiana ho mpikambana FFM.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.