• Alakamisy 29 Novambra 2012
Politique.Raharaha Zakariasy Patrick Mikoropaka ny mpitondra

Totoafo ny fandentehana hatramin’ny farany ny Tangalamena Zakariasy Patrick, nataon’izy mirahalahy mpanao famakafakana tao amin’ny onjampeo Viva, izay fananan’i Andry Rajoelina, omaly antoandro, ka nanambaran’izy ireo fa namorona dosie mba hanondroana sy hiampangana mpandraharaha ho mpanao trafikana boaderôzy, ity Tangalamena avy any Brickaville ity.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 27 Novambra 2012
Politique.CST sy Governemanta Nifanebaka tetsy Anosikely

Nivoaka ampahibemaso ny alahelo tany anaty tetsy amin’ny Lapan’ny CST tetsy Anosikely omaly maraina tao anatin’ny fivoriana nitambarambe azon’ny besinimaro natrehana, nitohy hatramin’ny alina.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 27 Novambra 2012
Politique.Hetsika “Tsy misy miala aketo niany” Manome 24 ora hamoahana ireo namany any am-ponja

Vory maro teo anoloan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina ireo mpikambana eo anivon’ny hetsika “Tsy misy miala aketo niany”, nitondrana ny fitakiany tamin’ny alalan’ny sorabaventy mitaky ny hamoahana ny naman’izy ireo 5 lahy voatana am-ponja ato anatin’ny 24 ora.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 27 Novambra 2012
Politique.Tabera Randriamanantsoa Hikatra ny karaman’ny mpiasam-panjakana

Efa lany 1er lecture tao amin’ny governemanta ka handalo 2è lecture amin’ity talata 27 novambra ity, ny resaka “grille indiciaire” an’ny mpiasam-panjakana, hoy ny ministra Tabera Randriamanantsoa.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 27 Novambra 2012
Politique.Tsy Aritra Ady an-trano ao an-dapa

Henjankenjana ihany ny fifanatrehan’ny governemanta sy ny CST teny Anosikely omaly tontolo andro, ary tena tsy nitsitsy tamin’ny fitenenana mihitsy ny ankamaroan’ireo mpikambana CST, eny fa na dia ireo noheverina fa manohana an’i Andry Rajoelina aza.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 26 Novambra 2012
Politique.Tontolo politika milamina

Hivory ny SADC amin’ny fiandohan’ny volana desambra ka hodinihany ao (indray), ny famahana ny krizy eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny
FTT