Politique

Hetsika “Tsy misy miala aketo niany” Manome 24 ora hamoahana ireo namany any am-ponja


  • Talata 27 Novambra 2012

Vory maro teo anoloan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina ireo mpikambana eo anivon’ny hetsika “Tsy misy miala aketo niany”, nitondrana ny fitakiany tamin’ny alalan’ny sorabaventy mitaky ny hamoahana ny naman’izy ireo 5 lahy voatana am-ponja ato anatin’ny 24 ora.

 Tao anatin’ny filaminana ny fitakiana, efa nihaodihaody teo amin’ny araben’ny fahaleovantena sy nijanona teo amin’ny lapan’ny fitsarana koa ny fiara 4x4 an’ny Emmo-Sécurité. Tapitra anio ny 24ora omen’ny hetsika “Tsy misy miala aketo niany”, ka milaza fa hiverina eo amin’ny toerana nifamorian’izy ireo omaly io ry zareo omaly alarobia.

Nampidirana hopitaly i Riri Be

Ankoatra izay, araka ny fantatra dia nampidirina hopitaly Atoa Rakotomalala Henry (Riri Be) noho ny ratra nahazo azy nandritra ny nisamborana azy sy ny fahatapahan’ny tanany noho ny daroka “vodi-basy” nataon’ny mpitandro ny filaminana taminy. Hatramin’izao anefa tsy mbola vita ny fanadihadiana faharoa tokony hataon’ny mpitsara zokiolona mpanao famotorana azy, izay miantoka ny fahazoana mangataka fahafahana vonjimaika ho azy dimy mirahalahy sy hahafantarana ny mety ho datin’ny fitsarana. Ho sarotra anefa izany noho ny fitokonan’ny mpirakidraharaha sy ny ho fidiran’ireo mpitsara ao anatin’ny fialantsasatra ny volana desambra.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT