Politique

Tabera Randriamanantsoa Hikatra ny karaman’ny mpiasam-panjakana


  • Talata 27 Novambra 2012

Efa lany 1er lecture tao amin’ny governemanta ka handalo 2č lecture amin’ity talata 27 novambra ity, ny resaka “grille indiciaire” an’ny mpiasam-panjakana, hoy ny ministra Tabera Randriamanantsoa.

 Ny manampahaizana manokana (Experts) niaraka tamin’ny “syndicat” an’ny mpiasa no namolavola azy io tamin’ny fihaonambe ny 8 septambra lasa teo teny Ivato. Efa milamindamina ireo “syndicat” nanatanteraka fitokonana teo aloha teo, hoy izy, satria tsy araka ny nanampoizan-dry zareo azy ny zava-misy. Ohatra raisina amin’izany, hoy ny minisitra Tabera ny amin’ny “grille indiciaire” an’ireo “paramédicaux” izay 1200 teo aloha ka ho lasa 43450. Raha atao bango tokana dia ho any amin’ny 800 ny “grille indiciaire” farany ambany amin’ity endriny vaovao ity ary mbola arahina fepetra hafa koa izany toy ny fiakaran’ny “indemnités de logement” izay 14.000 Ar teo aloha hiakatra ho 100.000 Ar. Ao koa ny fampidinina ny hetra alohan ny fonksionera. Tsy maintsy hiakatra koa ny karama farany ambany izay 100.000 Ar ankehitriny.

Izany rehetra izany no atao dia mba ahafahan’ny mpiasam-panjakana Malagasy miaina amin’ny maha-izy azy fa tsy miaina amin’ny oksizena tahaka izao ankehitriny izao. Be ny lalàna efa lany andro eto amintsika ka mila dinihana hanaraka ny toetrandro. Ary satria io “grille indiciaire” vaovao io dia hampiakatra ny volan’ny Cnaps sy ny fisotrohan-dronono ka raha isan-telo volana no fandoavana izany hatreto dia hatao isam-bolana amin’ny fampiharana ity “grille” vaovao ity. Marihako anefa, hoy ny ministra Tabera, fa any amin’ny Repoblika faha-4 vao hihatra ity “grille indiciaire” vaovao ity. Mikasika ny fandehanan’ireo Malagasy mpila ravinahitra hifindra monina any ivelany dia ho hatsaraina fa tsy hatao fanaovana fanandevozana tanora amin’ny endriny vaovao indray. Ho arahi-maso tanteraka ny fepetra mikasika azy ireo ka hisy fiaraha-miasa amin’ny ministeran’ny atitany amin’izany, ny fitsarana, ny polisy amin’izany. Tsy maintsy hofanina ireo olona andeha farafaharatsiny mba mahay tenim-pirenena iray hafa noho ny Malagasy.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT