Totoafo ny fandentehana hatramin’ny farany ny Tangalamena Zakariasy Patrick, nataon’izy mirahalahy mpanao famakafakana tao amin’ny onjampeo Viva, izay fananan’i Andry Rajoelina, omaly antoandro, ka nanambaran’izy ireo fa namorona dosie mba hanondroana sy hiampangana mpandraharaha ho mpanao trafikana boaderôzy, ity Tangalamena avy any Brickaville ity.
Sandoka sy hosoka ny taratasy nampiasaina sy nambara fa ho porofo, hoy izy ireo, ary tena namorona sady nandainga izany i Patrick Zakariasy. Milaza ny ho manana taratasy porofo ho amin’izany koa moa izy ireo.
Mipetraka avy hatrany ary ny fanontaniana eto : hosamborina koa ve izany ny profesora Zafy Albert izay nilaza fa avy any aminy ireo dosie nasehon’ny Tangalamena Patrick Zakariasy ny mpanao gazety ireo ? Azo raisina ho mpiray tsikombakomba anie izany izy mianaka ireto satria namorona porofo mba hiampangana olona fotsiny e ! Ekena fa tsy sarotra ny mamorona izany dosie izany eto Madagasikara, noho ny fisian’ny kolikoly amin’ny sehatra rehetra.
Ka raha afaka namorona dosie ny Tangalamena Zakariasy Patrick, dia mety afaka mba mamorona dosie mifanohitra tamin’izay nambarany koa ny hafa ! Fa nahoana moa no hanaovana resabe tahaka izao ity raharaha ity ? Ahoana raha avela handeha ny fanadihadiana ataon’ny fitsarana dia ho hita eo izay marina ? Ny fanaovana resabe amin’ny radio toy io mantsy dia endrika fanaovana tsindry amin’ny fitsarana sy fanerena ankolaka mba hiandany amin’ny zava-boalaza. Hita mikoropaka ihany mantsy ireo tandapa rehefa nilaza ny tao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita fa hanangana vaomiera manokana hanao fanadihadiana momba ny boaderôzy, ankoatra ny zavatra hafa, satria tena be loatra ny zavatra tsy mazava amin’ity resaka ity.
RTT
Hevitry ny Tia Tanindrazana
Nanomboka tamin’ny 2009, nisian’ny fitondrana tetezamita no nampirongatra ny fanapahana sy fanondranana ny boaderôzy teto amintsika. Tsy noforonina io fa zavatra tena misy, ary miaiky izany avokoa na ny Malagasy na ny vahiny. Ripaka ny ala any avaratra atsinanan’ny nosy any, simba hatramin’ny faritra voaaro. Olona manam-bola sy manampahefana no afaka manao ity afera ity, satria tsena any ivelany no handefasana azy fa tsy tsena eto an-toerana. Ny fihazohazoan’ny fitondrana tetezamita tsy hampanao fanadihadiana lalina sady matotra, no nahatonga ny resaka fa hoe : olona ao anatin’ny tetezamita mihitsy no lava tanana amin’ity afera ity. Nogadraina ireo irakiraka, fa tsy nisy voasambotra kosa ireo sefo deba. Maro be ny mpandraharaha Malagasy manambola sy manana ny maha izy azy, saingy nahoana no misy anaran’olona iray voatonona matetika amin’ity trafikana boaderozy ity ? Tena mila fanadihadiana lalina e.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.