Politique

Tontolo politika milamina


  • Alatsinainy 26 Novambra 2012

Hivory ny SADC amin’ny fiandohan’ny volana desambra ka hodinihany ao (indray), ny famahana ny krizy eto Madagasikara.

Ny faran’ny herinandro teo dia efa namoaka fanambarana ny biraom-pifandraisan’ny SADC eto Antananarivo, nilaza fa tsy hijanona ny hikaroka ny fomba hametrahana ny fitoniana, mialoha ny fifidianana ireo mpisehatra rehetra amin’ny famahana ny krizy sy ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny, izany hoe ny mpitondra tetezamita, ireo ankolafy politika, ny fiarahamonim-pirenena. Efa tahaka izany foana ihany moa ny fomba fiasan’ity fikambanana ity hatramin’izay, saingy noheverina fa mba hisy zavatra tena misongadina amin’izay amin’ity fivoriana manaraka ity, satria hiatrika fifidianana isika afaka enim-bolana. Inona moa no tian-kambara amin’izany ? Maro ny olona manome tsiny ny fitavozavozan’ny SADC, izay toa tsy tena sahy milaza marina, amin’ny fomba hentitra ny tena heviny fa misabaka amin’ny hevitry ny ankolafy politika eto Madagasikara fotsiny. Ny Vondrona Eoropeanina izao ohatra, tonga dia mazava ny teniny hoe : tsy mamatsy vola an’i Madagasikara izahay raha tsy misy mpitondra voafidim-bahoaka tamin’ny fifidianana tena demokratika eto, fa hanohana kosa izahay amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. Mazava tsara izany.

Tsy sanatria ny SADC no hibaiko ny mpitondra sy ny mpanao politika Malagasy fa kosa, adidiny ny milaza ny tena marina, sy ny hevitra fonosin’ny tondrozotra, ahoana no atao momba ilay andininy faha-20 sy ny faha-45. Ampiharina miaraka ve ireo, sa ny iray fotsiny, sa esorina mihitsy ve ireo ? Inona foana no tian’ny SADC hambara amin’ilay hoe tokony hiezaka hidinika hikaroka izay hametrahana ny fitoniana ny samy Malagasy ? Amin’ny SADC dia afaka mody eto ve i Marc Ravalomanana ary miatrika fifidianana ? Dia ahoana koa ny momba ny filohan’ny tetezamita izay toa efa manao propagandy, mety ve raha kandida izy ? Raha sanatria ka mbola mamoaka fehin-kevitra hafahafa sy misabaka tahaka ny fanaony matetika, aorian’io fivoriana amin’ny fiandohan’ny desambra io kosa aloha ny SADC, dia izay vao tena hampanahy marina ny fanatanterahana ilay fifidianana.

Raha vao manipy ny baolina aty amin’ny samy Malagasy ny SADC dia efa fantatra ihany ny ho tohiny fa ny ankolafy Rajoelina tsy hamela ny fodian-dRavalomanana eto, ary ity farany dia tsy hanaiky fa milaza ny tsy maintsy hody dia mitohy indray ny fifandranitana, dia tsy misy ilay fitoniana. Raha toa moa ka miantso fampihaonana indray ny SADC dia arakaraka ny fivoahan’ny marimaritra iraisana amin’izay hihaona, no hahavoahaja na tsia, ilay datin’ny 8 mey 2013. Mila tontolo politika tony sy milamina kokoa noho ny misy amin’izao fotoanany firosoana amin’izany fifidianana izany, fa raha tsy izay dia na ny fanaovana fampielezan-kevitra aza dia mety efa hitarika korontana sy fifanandrinana e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT