Politique

CST sy Governemanta Nifanebaka tetsy Anosikely


  • Talata 27 Novambra 2012

Nivoaka ampahibemaso ny alahelo tany anaty tetsy amin’ny Lapan’ny CST tetsy Anosikely omaly maraina tao anatin’ny fivoriana nitambarambe azon’ny besinimaro natrehana, nitohy hatramin’ny alina.

 Nivadika ho “duel” nony kelikely ny “face à face” nifanaovan’ny governemanta notarihan’ny Praiminisitra Omer Berziky andaniny sy ireo mpikambana anaty Filankevitry ny tetezamita (CST) notarihan’ny filohany ny Jeneraly Rasolosoa Dolin ankilany. Nifanebaka imaso imaso ireto andrim-panjakana ireto. Nizotra tsara anefa tany am-boalohany ny famakian’ireo CST an’ireo fanontaniana efa vita an-taratasy mialoha tokony hovalian’ireo minisitra isanisany ary dia voavaly tsara tsirairay avy koa ireny fanontaniana ireny. Rehefa tonga anefa ny fotoana hamakiana ny andiany faharoa an’ilay fanontaniana dia nangataka fitenenana ny Praiminisitra sy ny minisitra iray ary dia nangataka fandaminana vaovao mba hanafainganana ny fihaonana tamin’ny ankapobeny ary mba hivoaka hisakafo ihany koa fa antoandro ny andro dia mba hofaranana amin’ny 6ora sy sasany hariva ny fihaonana. Tsy lanin’ny vavonin’ireo CST ny fangatahana, indrindra ny nataon’ny minisitra Ndremanjary Jean André izay nilaza fa efa olomboafidy parlemantera ihany koa ka mahazo manao satroka. Famingavingana tsotra izao no nandraisan’ireo CST io fihetsika io. Velona ny angaredona tamin’ny fandraisana “micro” ny amin’ny hoe : “aoka hifanaja isika, anay ny tanàna ka izay lamina apetrakay no tokony harahinareo vahiny, izahay rahateo mpanara-maso ny asanareo no tena andraikitray ary ny manao lalàna”.

Tsy mbola fahita eran-tany, hoy ny sasany izany hoe parlemantera mametra-panontaniana amin’ny mpanatanteraka izany ka atao an-taratasy avokoa ny famaliana nefa tsy mangataka izany ny mpametraka. Niaretana anefa izany noho ny fifandaminana. Tonga hatrany amin’ny filazana fa ataon’ireo mpanatanteraka ireto tsinontsinona mihitsy ireto mpikambana ao anatin’ny CST ireto rehefa manao fandaminana any amin’ny lanonana ofisialy atrehan’ny roa tonta any fa tena any amin’ny sisin-tosy. Nahazo ny anjarany mba hijoro amin’ny maha izy azy ny CST Dolin Rasolosoa. Nahazo tahaka izany koa ny Praiminisitra Omer Beriziky mba tokony hahabaiko ny minisitra tarihiny. Ary dia nahazo hatramin’ny irakiraka ao an-dapa mpitondra “micro” mba tsy hanolotolotra fahatany izany any amin’ireny ministra vahiny ao an-tanàna ireny.

Rehefa naroso ny sakafo maivana mba hanohizana tsy tapaka ny fivoriana dia mbola nisy nanamarika koa fa toerana tsy tokony hihinanana sakafo izany Lapam-panjakana izany fa mivoaka ivelany mifandimby izay mahatsiaro ho noana. Raha tsorina dia nampiseho firaisankina imason’ny mpanatanteraka ireto CST etsy Anosikely ireto fa efa ela no niandrasan-dry zareo izao fotoana izao. Marihina fa niato nandritra ny fotoana nahatritra koa ny fandefasana nivantana ity “face à face” ity mba tsy ho heno manerana ny Nosy ny fifanebahana niseho lany. Efa dila ny tamin’ny 10 ora alina vao nanomboka ny fanontaninana navantana tamin’ny Praminisitra Omer Beriziky fa dia niaritra “trefle” araka ny tenin-jatovo ankehitrio nandritra ny ora maro dia maro teo ny lehilahy.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT