Politique

Tsy Aritra Ady an-trano ao an-dapa


  • Talata 27 Novambra 2012

Henjankenjana ihany ny fifanatrehan’ny governemanta sy ny CST teny Anosikely omaly tontolo andro, ary tena tsy nitsitsy tamin’ny fitenenana mihitsy ny ankamaroan’ireo mpikambana CST, eny fa na dia ireo noheverina fa manohana an’i Andry Rajoelina aza.

 Efa nampoizina fa dia anisan’ny nahazo fanakianana sy fanontaniana maro be, indrindra ny minisitry ny vola sy ny tetibola. Efa niandry azy fatratra rahateo ny teny Anosikely teny, ary raha mbola azo atao aza, dia mety mbola hisy ny fifanatrehana manokana mihitsy eo amin’ny roa tonta. Mbola hita taratra, indray io omaly io fa misy ny ady an-trano eo amin’ny samy mpitondra ary toa mifampiandriandry kendritohana izany fotsiny ny rehetra. Mifampitsipaka toa valala an-karona araka ny fomba fiteny ireo manampahefana eto amintsika.

Tsy hoe ny ankolafy Rajoelina sy Ravalomanana irery intsony no mifandramatra, fa toa samy mifamely daholo ny rehetra, tsy hay intsony hoe iza no miombona amin’iza, ary iza no miady amin’iza ? Ho an’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita manokana, dia tsy levon’ny vavonin’ireo olom-boatendry teny mihitsy ny fampihenana ny tetibola ho ampiasain’izy ireo amin’ny 2013, teo ihany koa ny filazan’izy ireo hoe tsy mangaraharaha momba ny fitantanam-bolam-panjakana. Nafana ny fifanatrehana, ary voatery notapahana mihitsy aza ny fampitana mivantana ny fivoriana tao amin’ny TVM. Nangataka fiatoana ihany koa ny governemanta satria tsy nitovy ny fomba fijery tamin’ilay fametrahana fanontaniana sy ny famaliana azy.

Ny ekipan’ny filohan’ny tetezamita no maro an’isa, ao amin’ny governemanta sy ao amin’ny CST, ka azo heverina hoe efa fambara ratsy ho an’ny mpiray sambo ihany ity sarintsarina ady an-trano isaky ny mihetsika ity. Misy tsy mety, misy tsy mampifanaraka intsony matoa efa mifamely imasom-bahoaka fa tsy mifanipy voninkazo tahaka ny teo aloha intsony. Azo antoka fa misy ifandraisany amin’ny fanenjehana ireo mpikambana CST maro samihafa toa an’i Alain Ramaroson koa izao tranga izao, ary azo hanaporofoana fa, araka ny efa notaterina teto fa manomboka misintaka tsikelikely amin’i Andry Rajoelina ireo mpanao politika nanohana azy tamin’ny 2009, izay maromaro ihany no nahazo seza ao amin’ny CST ao.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT