• Alakamisy 21 Febroary 2013
Politique.“Forum des jeunes II” Fahombiazana ho an’ny tanora TIM

Fahombiazana ho an’ny Tanora Tiako i Madagasikara (TIM) ny fandraisan’anjara fanindroany tamin’ilay hetsika «Forum National des Jeunes», tao Antsirabe raha ny fahitan’Atoa Didier Radert, mpitarika ny tanora TIM ao an-toerana.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 21 Febroary 2013
Politique.Ankatoky ny fifidianana Hahetsika indray ny “Gros bras”.

Anisan’ny teny nanaitra ny rehetra satria dia niverimberina matetika nandritry ny resaka nataon’ny filohan’ny FAT tamin’ny haino aman-jery vao tsy ela izay ny nilazany fa hisy na hiteraka korontana ny fanaovana fifidianana filoham-pirenena mialoha ny fifidianana solombavambahoaka

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 21 Febroary 2013
Politique.Raikitra ny Mada raid Tsy voafehin-dRajoelina intsony ny olony

Efa tena miendrika “Mada raid” mihitsy ny fahitana ny fitsidiham-paritra ataon’ny praiminisitra lefitra misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany Hajo Andrianainarivelo, ary vao miha nitombo izany taorian’ny nialan’i Andry Rajoelina an-daharana tsy ho kandida.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 21 Febroary 2013
Politique.Tsiebo Mahaleo Richard Victor Tsy handeha irery fa hisokatra amin’ny hafa ny TGV

Ny antoko rehefa matanjaka dia tsy maintsy ataon’ny mpifanandrina aminy izay tetika rehetra hampizarazarana azy, hoy ny CT Tsiebo Mahaleo Richard Victor mpikambana ao anatin’ny birao politikan’ny antoko TGV.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 20 Febroary 2013
Politique.Donak'afo : Fa manao inona fotsiny e ?

Tsy sanatria maniry ny hitrangan’ny ratsy ho an’ny firenena fa ny hamisavisana ny ratsy ny mba hihavian’ny soa… Mbola misy olana indray ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy na FFM.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 20 Febroary 2013
Politique.Fifidianana Mbola hihemotra indray ?

Fito taona ny tetezamita notarihan’i Laurent Gbagbo tany Cote d’Ivoire, nahemotra in-dimy ny fifidianana filoham-pirenena vao vita ary mbola nisy gidragidra nahafatesana olona 3000 mahery aza.

Hamaky ny tohiny
FTT