Politique

Donak'afo : Fa manao inona fotsiny e ?


  • Alarobia 20 Febroary 2013

Tsy sanatria maniry ny hitrangan’ny ratsy ho an’ny firenena fa ny hamisavisana ny ratsy ny mba hihavian’ny soa… Mbola misy olana indray ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy na FFM.

 Tsy maharesy lahatra ny maro ireo mpikambana ao aminy. Io rafitra io anefa no hametraka ny fitoniana eto, ary raha tsy misy ny fitoniana dia tsy hisy fifidianana. Manomboka miteny koa izao ny mpamatsy vola sasany, fa tsy maintsy misy zavatra hita mivaingana ny fampiharana ny famotsoran-keloka izay vao hivoaka ny ampaham-bola hanaovana ny fifidianana. Dia mihodinkodina eo, tsy misy fiafarany ny olana tsy ahitam-bahaolana ato anatin’izao tetezamita izao. Efa miteny ho azy ny fahasahiranan’ny TGV hamoaka anarana kandida filoham-pirenena, fa anaty krizy koa ny ao ambonimbony. Be resaka fotsiny ny ao Mahazoarivo fa dia mandeha foana ny trafikana boaderozy, hany ka miditra an-tsehatra indray ny DST izay eo ambany fiahian’ny fiadidiana ny tetezamita. Efa karazana tehamaina ho an’i Omer Beriziky sy ny ekipany izany ary fomba ilazana fa tsy mahavita azy ry zareo. Ka inona ihany izany no mandeha eto e ? Tsy milamina ny tany, mahazo laka ny asan-jiolahy.

Mitohy ny fandrobana ny harem-pirenena, tsy misy tokotaniny ny fametrahana ny fitoniana, toa mampanahy indray ny mety hisian’ny fifidianana amin’ny 24 jolay, ny vidim-piainana manomboka miakatra miakatra hatrany, asa izay hitranga eto raha toa ka misy rivodoza mahery vaika hanimba sy hanapotika. Ny mahafintina azy dia tsy voafehin’ny mpitondra tetezamita intsony ny toe-draharaha, mamono vorona amin’ny kabary fotsiny ry Andry Rajoelina, Omer Beriziky, mampandry adrisa araka ny fomba fiteny fa tena hita izao fa tsy ao amin’izy ireo mihitsy ny fahavononana hanatanteraka ny tondrozotra sy hametraka ny fepetra momba ny fitoniana. Ny fiainam-bahoaka tsy hay ny manatsara azy, ny fifidianana tsy vita, ka inona moa izany fa …. sady tsy hihira no tsy hanao tsianjery e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT