Politique

Fifidianana Mbola hihemotra indray ?


  • Alarobia 20 Febroary 2013

Fito taona ny tetezamita notarihan’i Laurent Gbagbo tany Cote d’Ivoire, nahemotra in-dimy ny fifidianana filoham-pirenena vao vita ary mbola nisy gidragidra nahafatesana olona 3000 mahery aza.

 Efatra taona izao ny tetezamita eto Madagasikara, voalohany no nahemotra ny datim-pifidianana ary misy no maminavina fa mety mbola hihemotra fanindroany na fanintelony mihitsy aza io daty io. Tsotra ny antony : efa nanaiky tamin’ny alalan’ny fanasoniavana ny tondrozotra isika fa fifidianana manaraka ny fenitra iraisam-pirenena no hotanterahana eto hamaranana ny tetezamita sy hiampitana any amin’ny Repoblika vaovao. Hamatsy vola sy hanohana ny zotram-pifidianana ny sehatra iraisam-pirenena. Misy ny fepetra tsy maintsy hohajaina amin’izany, dia ny fanatanterahana an-tsakany sy an-davany ny tondrozotra amin’ny andininy rehetra sy ny fanatanterahana ireo toromarika samihafa navoaky ny fivoriamben’ny SADC sy ny Vondrona Afrikanina sy izay sampandraharaha ao aminy sy izay toromarika nambaran’ny Firenena Mikambana sy ny vondrona Eoropeanina koa. Iaraha-mahita tsara anefa izao fa na ny fananganana ny FFM na ilay rafitra hikarakara ny fampihavanam-pirenena sy ny famoahana ny famotsoran-keloka aza mbola misy olana, dimy volana mialoha ny fifidianana.

Tsy fantatra na afaka firy andro na firy herinandro na firy volana vao tena hilamina io FFM io ? Rehefa milamina io dia ho ampy hiasany ve ny andro sisa tavela eo ? Mbola olana iray goavana ihany koa ny fanatanterahana ny andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra satria tsy manaiky ny hodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana eto Madagasikara ry Andry Rajoelina sy ny ekipany. Efa tena mazava anefa ny tenin’ireo mpamatsy vola afa-tsy i Frantsa fa tsy maintsy tanterahana manontolo ny tondrozotra ary avela mody malalaka ireo sesitany politika izay vao tena feno ny fepetra amin’ny fametrahana ny fitoniana. Izay nekena sy nosoniavina dia tanterahana, hoy izy ireo.

Ary farany teo ny Vaomieran’ny filaminana sy fandriampahalemana eo anivon’ny vondrona Afrikanina dia nanamafy ny tsy maintsy hodian’Atoa Ravalomanana. Koa raha mitohy hatrany ny fifanolanana, dia ahoana moa izany ny momba ny fifidianana ? Inona ny antony mahatonga ny Frantsay hiasa mafy hanakana ny fiverenan-dRavalomanana eto ? Ny Frantsay izay zara raha nanome vola hanatanterahana ny fifidianana, kanefa miseho mametraka fepetra toa mifanipaka amin’ny tondrozotra. Hita ho tena sarotra ny famahana ny krizy eto Madagasikara satria maro be loatra ny zavatra mifamahofaho, ary tsikaritra koa fa tia tena ny mpanao politika no sady tsy mahazaka ny fahefana eo am-pelatanany ary mampiasa izany ho amin’ny tombontsoany manokana. Ny alahady hariva teo dia nilaza Rtoa Atallah Beatrice filohan’ny CENIT raha nivahiny tao amin’ny fandaharana Savaravina (RNM) fa tsy hisy intsony ny fampihemorana ny datim-pifidianana. Izay ny kabary fa asa izay fampiharana azy. Mbola raharaha be koa mantsy ny resaka amnistia tokony hovitaina mialoha ny fifidianana.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT