Politique

Raikitra ny Mada raid Tsy voafehin-dRajoelina intsony ny olony


  • Alakamisy 21 Febroary 2013

Efa tena miendrika “Mada raid” mihitsy ny fahitana ny fitsidiham-paritra ataon’ny praiminisitra lefitra misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany Hajo Andrianainarivelo, ary vao miha nitombo izany taorian’ny nialan’i Andry Rajoelina an-daharana tsy ho kandida.

 Tany Maintirano ny praiminisitra lefitra ny sabotsy teo, tao Tolagnaro indray ny alahady, avy eo nitodi-doha nankany Amboasary Atsimo nipaka hatrany Ambovombe. Tsy vita dia an-tongotra izany na koa fiarakodia, fa nampiasana fiaramanidina manokana na “Jet Privé” haingam-pandeha ankoatra ny fandehanana amin’ny zotra Air Madagascar. Vola be no lany amin’izany, ary volam-bahoaka.

Ny hafa terena hitsitsy fa ry zareo tsy afaka mihafy. Ny departemanta tantanany rahateo koa moa no anisan’ny be tetibola indrindra ao anatin’ny governemanta, ka afaka mihetsiketsika manolotra fanomezana etsy sy eroa sy mampanantena an’izatsy na izaroa, manao fihetsika kandida mangalatra “départ” kely, mampahafantatra ny tenany sy mitsapa ny fitiavan’ny olona azy angamba. Ekena fa mety manao ny asany i Hajo Andrianainarivelo, mampiasa ny fahefam-panjakana sy ny volam-bahoaka saingy tsikaritra ihany fa manao izay mba hampisongadinana ny tenany mikarakara ny hoavy politikany. Tsy izy ihany fa saika ireo manodidina an’i Andry Rajoelina, ary toa tsy voafehin’ity farany intsony ny zava-misy, indrindra hatramin’ny nanambarany fa tsy ho kandida izy. Ho sarotra ho an’ny filohan’ny tetezamita anefa ny hanilika azy ireny.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT