Politique

“Forum des jeunes II” Fahombiazana ho an’ny tanora TIM


  • Alakamisy 21 Febroary 2013

Fahombiazana ho an’ny Tanora Tiako i Madagasikara (TIM) ny fandraisan’anjara fanindroany tamin’ilay hetsika «Forum National des Jeunes», tao Antsirabe raha ny fahitan’Atoa Didier Radert, mpitarika ny tanora TIM ao an-toerana.

 Ho azy dia nivoatra be raha nitaha ny tamin’ny taon-dasa ny hetsika satria nahatratra 40 teo ho eo ny mpandray anjara ka saika ireo antoko politika misy ao Antsirabe no nifanatona sy nifampiresaka. Hita taratra ny tena Demokrasia nandritra ny fampihaonana azy ireo raha ny fahitany azy satria tena fampianarana ny tanora hahay hiresaka sy hiady hevitra amin’ny politika no tanjon’ny Norvezianina, mpiara-miombon’antoka, ka nety sy tokony hotohizana ny hetsika toy izao, hoy i Didier Radert, satria ny sehatra toy ireny no hanehoana ny maha izy ny antoko sy ahitan’ny olona ny vinam-piarahamonina tiany hovoizina. Antoko maro no nandray anjara tamin’ity hetsika ity, toy ny MFM, GFFM, ESD, Leader Fanilo, Maitso, AVI, TIM sy ireo maro hafa saingy tsy tazana mihitsy na tamin’ny andiany voalohany na ny faharoa ny antokon’ny fitondrana dia ny TGV sa tsy misy ao Antsirabe kanefa maimaimpoana ny fandraisan’anjara.


Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT