Politique

Ankatoky ny fifidianana Hahetsika indray ny “Gros bras”.


  • Alakamisy 21 Febroary 2013

Anisan’ny teny nanaitra ny rehetra satria dia niverimberina matetika nandritry ny resaka nataon’ny filohan’ny FAT tamin’ny haino aman-jery vao tsy ela izay ny nilazany fa hisy na hiteraka korontana ny fanaovana fifidianana filoham-pirenena mialoha ny fifidianana solombavambahoaka

 Nahitsy ny tenin’ny mpikambana eo anivon’ny Kongresy Ralaimampisainarinony Manoela fa ny FAT ihany no manomana izany korontana izany. Araka ny filazany tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly dia amin’ny 8 mey izao, izay daty tokony ho nanaovana ny fifidianana filoham-pirenena no hihetsika ireo atao hoe “gros bras”. Avy eo dia hatsangana ny fitondra-miaramila, hoy i Manoela Ralaimampisainarinony. Ho hita eo ihany moa izay fa asa raha fifanandrifian-javatra na tsia fa nambaran’i Fanomezantsoa, mpitarika ny Pro Ravalomanana, fa manao fiofanana amin’ny fiatrehana hetsi-bahoaka eny Ivato ny mpitandro ny filaminana amin’izao. Fanontaniana moa no napetrany hoe nahoana raha fiofanana hiatrehana ny dahalo izay manafika isan’andro no atao ? Ankoatra izay dia nambarany fa eo am-panomanana hetsika hanerena ny praiminisitra handray ny andraikiny, hampihatra ny sori-dalana ny Pro Ravalomanana.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT