Ny antoko rehefa matanjaka dia tsy maintsy ataon’ny mpifanandrina aminy izay tetika rehetra hampizarazarana azy, hoy ny CT Tsiebo Mahaleo Richard Victor mpikambana ao anatin’ny birao politikan’ny antoko TGV.
Ambarako fa ny antoko TGV naorin’i Andry Rajoelina dia tokana ary tsy mizarazara sy tsy azo zaraina. Enin-taona izao, hoy ity CT ity no nijoroany ary tao anatin’ny efa-taonan’ny krizy dia izy no antoko azo ambara fa hany tsy mba nahitana fisamatsamahana izany fa ny rehetra ankoatra izay dia nivakivaky avokoa. Mazava ny tenin’ny filoha mpanorina ny antoko tapabolana lasa izay fa ny TGV sy ireo antoko hafa miara-dia aminy dia handinika ny mikasika ny fanendrena izay ho kandidà filoham-pirenena hitambarana.
Ao aminay, hoy ny CT Tsiebo Mahaleo, dia maro ny olona mendrika toerana ambony satria mametraka avo dia avo ny tombontsoam-pirenena izahay. Ary efa nanome lesona ny filoha mpanorina fa tsy dia ny fifikirana amin’ny fahefana no tanjona amin’ny antoko TGV fa ny fametrahana avo ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Koa vonona ny hisokatra amin’ny olona hitanay fa mendrika amin’ny toerana ametrahana azy izahay, saingy ny filoha mpanorina ny antoko ihany ny tompon’ny teny farany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.