• Zoma 19 Aprily 2013
Politique.Joaquim Chissano Hohajaina ny tetiandrom-pifidianana

Omaly antoandro no nandao an’i Madagasikara Atoa Joaquim Chissano. Nandritra ny tatitra nataony no nanambarany fa araka ny dinika sy fifampiresahana nataony tamin’ireo vondrona politika, fikambanana maro samihafa avy amin’ny firaisamonim-pirenena dia tanteraka amin’ny ampahany betsaka ny tondrozotra, miroso ny fiomanana amin’ny fifidianana ka rariny sy hitsiny raha tazonina ny datin’ny 24 jolay hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 19 Aprily 2013
Politique.Donak'afo : Tsy hita be ihany

Hafahafa be ihany ny zava-misy eto amin’ity Madagasikara ity, satria toa arakaraka ny hirosoana amin’ny fampihavana no toa vao miha mampangotrakotraka indray ny fifandiran-kevitra.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 19 Aprily 2013
Politique.Andry Rajoelina Vonona hihavana amin-dRavalomanana ?

Tsy miova amin’ny heviny ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina ary mbola nanamafy ihany omaly, teny Ivato fa tokony ho ny fifidianana solombavambahoaka no natao mialoha fa tsy filoham-pirenena izany.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 19 Aprily 2013
Politique.Didier Ratsiraka Hamerina ny «Maputo 1» ?

Tafaverina an-tanindrazana omaly maraina indray ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka sy ny fianakaviany.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 19 Aprily 2013
Politique.Fampihavanan’ny FFKM Semban-drahona sahady

«Mandringa ihany ity fihaonana ity satria tsy tonga nanatrika teto ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana». Izay no tenin’i Alain Ramaroson omaly, teny Ivato raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety izy.

Hamaky ny tohiny
FTT