«Mandringa ihany ity fihaonana ity satria tsy tonga nanatrika teto ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana». Izay no tenin’i Alain Ramaroson omaly, teny Ivato raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety izy.
Nampiany fa tokony ho navela niditra teto Madagasikara ary nanatrika ny dinika fampihavanana karakarain’ny FFKM ity filoha teo aloha ity, satria manan-kambara be momba ny fiainam-pirenena izy, ary mety maro be ihany koa ireo hanontany sy hanadihady azy. Tsy maintsy feno ny fepetra rehefa te hanao zavatra iray matotra, hoy i Alain Ramaroson. Marina sy mitombina ny fanambaran’ity mpikambana CST izay anisan’ireo tena tezitra tamin’Atoa Ravalomanana ity. Fampihavanana ny resaka, fifamelana, fiaiken-keloka ary fahamarinana, no teny filamatry ny FFKM ho amin’ny fampihavanam-pirenena. Mahagaga raha tsy nandefasana taratasy fanasana mazava tahaka ny olon-drehetra Atoa Marc Ravalomanana, eny fa na dia any Afrika Atsimo aza izy. Inona no sakana ? Hampihavana ve kanefa misy endrika fanilihana tahaka izany ? Na tiana na tsy tiana dia manamaloka ny hetsika fampihavanana ataon’ny FFKM io tsy niantsoany ny filoha teo aloha io.
Tsy hanakiana be fahatany azy efatra mirahalahy filoham-piangonana, fa mba tokony hisy fanazavana matotra ny tsy niantsoana an’i Marc Ravalomanana. Sa ve efa misy fomba fiasa hafa novolavolaina hahafahana maka ny heviny, izy tenany mihitsy fa tsy hoe ny solontenany ? Efa nitarika ny fanelanelanana teo amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina teny amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola ny FFKM tamin’ny 2009, saingy nandamoka izany dia izao manapotika ny firenena izao ny krizy. Miroso amin’ny fampihavanana indray ny FFKM ankehitriny dia io fa semban-drahona; ary asa na fifandrifian-javatra na ahoana fa ny Mgr Odon Razanakolona no filohan’ny FFKM nandritra ny nanaovana ny dinika teny amin’ny Le Hintsy, ary dia mbola izy ihany no mitarika ny FFKM ankehitriny.
Mbola fanontaniana mipetraka ihany koa ny amin’ireo miaramila any am-ponja, noho ny antony politika, toa an-dry jeneraly Raoelina, ny kolonely isany Coutiti Assolant, Raymond Andrianjafy, Jadifara, Randriamihoatra, ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina. Maro no mihevitra fa tokony ho nasaina hanatrika sy handray anjara tamin’ity dinika fampihavanana ataon’ny FFKM ity ihany koa izy ireo, handravonana ny disadisa anatiny mamparisarisa ny foloalindahy Malagasy. Tsy nisy anefa izany na dia fihaonana savaranonando aza ity natao ity. Ka inona moa izany no vokatra handrasana eo ? Sao ho fandanian’andro fotsiny ? RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.