Politique

Andry Rajoelina Vonona hihavana amin-dRavalomanana ?


  • Zoma 19 Aprily 2013

Tsy miova amin’ny heviny ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina ary mbola nanamafy ihany omaly, teny Ivato fa tokony ho ny fifidianana solombavambahoaka no natao mialoha fa tsy filoham-pirenena izany.

 Efa niteny an’io tany amin’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana aho, hoy izy ary mbola manizingizina fa io no tena mety amintsika. Nolazain’ny filohan’ny tetezamita fa maro be ny masoivoho vahiny eto amintsika no niantso azy ary nilaza fa mahatakatra amin’izay ny antony nanizingizinany ny hanatanterahana mialoha ny fifidianana solombavambahoaka. Nanatrika ny lanonam-panokafana ilay dinika fampihavanana karakarain’ny FFKM teny amin’ny CCI Ivato i Andry Rajoelina. Nandritra ny resaka fohy nifanaovany tamin’ny mpanao gazety no nanambarany ny heviny fa tena ilaina ny fifamelana sy ny fampihavanana ary ny tombontsoa ambonin’ny firenena no banjinina fa tsy ny tombontsoan’olon-tokana. Ny fitiavam-pahefana diso tafahoatra no mahatonga ny savorovoro sy resabe misy amin’izao fotoana, hoy i Andry Rajoelina. Vao fanombohana ihany ny omaly, ka asa amin’ny fihaonana manaraka izany raha vonona ny hifanatrika amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana i Andry Rajoelina ka hiresaka tsara aminy, hifamela ary hihavana. Maro mantsy no mihevitra fa raha izany no tanteraka dia ho haingana kokoa ny famahana ity krizy ity satria ny fifandiran’ny roa tonta 5 taona lasa izay, no tena nahatonga izao zava-drehetra izao.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT