Politique

Donak'afo : Tsy hita be ihany


  • Zoma 19 Aprily 2013

Hafahafa be ihany ny zava-misy eto amin’ity Madagasikara ity, satria toa arakaraka ny hirosoana amin’ny fampihavana no toa vao miha mampangotrakotraka indray ny fifandiran-kevitra.

 Natsangana ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy (FFM), dia efa olana be, naverina mihitsy ny fisafidianana ireo mpikambana 44 mandrafitra azy satria misy no tsy azo itokisana fa tena manana toetrana mpampihavana tokoa. Vita ihany moa ny fifidianana avy eo ary efa nahazo filoha mihitsy aza ny FFM koa dia niroso tamin’ny asa. Nifoha tampoka tamin’ny torimasony kosa ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy ao amin’ny FFKM koa dia tapaka ny hevitra fa hamory ny mpanao politika sy ny mpitondra fanjakana ary ny firaisamonim-pirenena izy ireo, fa hoe hanamora ny fampihavanana. In-telo miantaona ny fomba fiasan’ny FFKM, omaly ny dinika savaranonando teny Ivato, aparitaka any amin’ny faritany FFKM 35 manerana ny Nosy ny antontan-kevitra rehetra voaangona omaly. Hisy indray avy eo ny fihaonana mandritra ny telo andro eto Antananarivo ka aorian’izay no hamoahana ny fehin-kevitra farany.

Nifanindran-dalana tamin’ity hetsiky ny FFKM dia niparitaka ny feo fa hoe mety hisy tetezamita vaovao atsangana, hono, sy ny hoe mety ahemotra ny fifidianana ; avo vava avy hatrany ny mpanao politika vantany vao nandre izany ka nisy ireo nitsipaka marindrano ny hampihemorana ny fifidianana izany ary manda tanteraka ny hananganana tetezamita vaovao. Ao koa anefa ireo mahita fa tsy tokony hahamaika ny fifidianana fa ny fandaminana ny firenena aloha no himasoana, hapetraka ny fitoniana hatao matotra ny fampihavanana, anisan’ny momba izany hevitra izany ny Amiraly Ratsiraka.

Ka eo indrindra no mampikorotan-tsaina ny olona sasany ny amin’ny hoe : fa inona indray ary ny kajy politika any ambadimbadika any, fa toa be loatra izany fifanandrifian-javatra mitranga izany ? Maro no mametra-panontaniana hoe : raha hampihavana marina ny FFKM, nahoana no tsy efa natao tamin’ny volana janoary na febroary ny dingana rehetra ho amin’izany ? Efa mandeha ve ny fandraisana ny dosien’ireo kandida ho filoha, vao hihazakazahana ny fampihavanana ? Sa ve tratran’ny tsindry mavesatra avy any ambadimbadika any ny FFKM ka dia io manezakezaka io ? Tsy azo adinoina anefa, hoy ireto filoham-piangonana ireto fa efa manana ny hevitra hiheverany antsika Andriamanitra, ary tsy maintsy ny sitrapony ihany no tanteraka. Samy manana ny fomba fijeriny sy ny fomba fisainany koa anefa ny tsirairay avy, ka eo no tena maha sarotra ity asa fampihavanana ity satria tsy maintsy misy ny be kajy politika ao anatin’io fa tsy hoe samy madio fo izany daholo ny mpandray anjara ao.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT